Ny fahatokisatena dia miankina bebe kokoa amin' ny lafin'ny fanabeazana. (31-03-2021)

♦ Nahalavo marary miisa 15 teto Madagasikara ny Covid-19 tamin'ny talata lasa teo. Isa ambony indrindra tao anatin'ny iray andro tao anatin'ny herintaona niadiana tamin'ity valan'aretina ity... ♦ Nanolotra fitaovana manampy ny mararin'ny Covid-19 ahazo "Oxygène" ilain'ny vatana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nohavaozina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina eto Madagasikara... 

♦ 65 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara, omaly. Tao anatin'izay herintaona mahery herinandro izay dia 1,71% an'ny marary no namoy ny ainy. Sitrana kosa ny 89,69% n'ireo narary... ♦ Mitombo hatrany ny filana oxygène eo anivon'ny Hôpitaly Loterana Ambohibao, ho an'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid-19. Antony nanomezan'ny fiadidina ny Repoblika, concentrateur d'oxygène maromaro ho an'ity hôpitaly ity...

Zoma 2 aprily 2021 — Zoma masina — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42

Alakamisy 1 aprily 2021 — Alakamisy masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15

♦ Marefo ny fandraisana andraikitra eto amin'ny firenena kanefa mihamahery vaika ny valanaretina coronavirus, hoy ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Niaiky amin'ny tsy fahampian'ny oxygène manoloana ny fitsaboana ireo marary ny Praiministra Ntsay Christian. Efa misy anefa hoy izy ny fiaraha-miasa amin'ireo orinasa mpamokatra izany... ♦ An'arivony taonina ireo vokatra sakafo aondran'i Madagasikara eo amin'ny tsena erôpeana no naverina eto an-toerana... 

Nisy fiantraikany tamin'ny sehatra maro ny krizy ara-pahasalamana indrindra tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Tamin"ny faha-12 marsa 2021 no naseho tao amin'ny Canal olympia ny horonantsary mampiseho an'ilay varika vaovao dia ny varika TSIDY na TSITSIDY. Io horonantsary io dia manentana ny olona amin'ny fiarovana ny varika. Ny omby dia biby tsy avy eto Madagasikara fa noentina avy any ivelany 3000 taona lasa izay fa ny varika dia biby tena avy eto an-toerana ary efa ho 50.000.000 taona no nisiany... 

♦ Tsy azo ialàna ny fandraisana fepetra toy ny fiverenana amin'ny fihibohana raha toa ka tsy mampihatra ireo fepetra sakana ny rehetra, hoy ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Efa nanome ny Elefanta saingy tsy nambinina ny Barea tamin'ny fiadiana ny tapakila ho an'ny amin'ny  Can 2022... ♦ Naverina eny Antanimora miandry ny didim-pitsarana amin'ny 6 Aprily izao ireo olona telo voatazona amponja vonjimaika noho ilay fitrandrahana fasika ao Faravohitra-Ambatofahavalo... 

♦ Baolina kitra : nirava ady sahala, samy tsy nisy nitoko tany Toamasina ny Barean'i Magasikara sy Niger. Tsy tafakatra handray anjara amin'ny CAN 2022, hatao any Cameroun, i Madagasikara... ♦ Mihamahery vaika ny valan'aretina Covid-19, ka nanentana ny Malagasy hanamafy hatrany ny fitandremana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM...

Rahefa nitsangan-ko velona i Jesoa, ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny heninandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany. Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Nefa nony nandre izy ireo, fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. Manaraka izany, i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha. Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa. Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo. Ary hoy Izy taminy: "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray teo amoron-dranomasin’i Tiberiady ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho." Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay." Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia." Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo." Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io." Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.

Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo." Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo." Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza, sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangan-ko velona Izy.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany." Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: "Moa manan-kanina eto va ianareo?" Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo." Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: "Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany."

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...