Namaritra fanamby hametraka mari-pamantarana momba ny kalitao na ny “label qualité” ho an’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ny Malagasy Dairy Board. Izay no ifantohan’ny tohana atao amin’ny mpiantsehatra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka… Fanamby nandritra ny fivoriambe notanterahana tamin’ny 19 Marsa 2021 teo…
Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…
♦ Natomboka androany ny fizaràna ny CVO+ ho an'ny mpitandro filaminana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Nahazo tale jeneraly vaovao ny Samifin. Voatendry hisahana izany andraikitra izany Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana... ♦ Manameloka ny fanasoketana ny filoha nasiônaliny ataon'ny olona sasany anatin'ny fitondrana ny antoko Freedom...
Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)
♦ Fantatra ireo olona efatra hisolo tena ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ho eo amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Valan'aretina Covid-19 : Olona maherin'ny 1000 no natao fitiliana, ka ny 162 tamin'ireo no nitondra ny tsimok'aretina, teto Analamanga avokoa ny 84... ♦ Mihoatra ny 300.000 ny olona matin'ny Coronavirus any Brezila...
♦ Resin'ny ekipa Etiopianina tamin'ny isa efatra no aotra i Madagasikara, tamin'ny lalao baolina kitra notanterahina ny tolakandro teo. Mbola tsy very fanantenana ny Barea aloha hatreto... ♦ Voafidy androany avokoa ireo solontena efatra avy amin'ireo parlemantera, ho mpikambana ao amin'ny HCC...
Ny valan-javaboary Tsingin'ny Bemara ao Morondava dia misy biby maro toy ny gidro izay misy karazany 13, ka ny karazany 03 dia fahita amin'ny alina ary 10 ambiny dia amin'ny andro mazava. Toerana azo hitsangatsanganana tsara amin'ny alalan'ny lakana ny any Manambolo, misy koa ny zohy ahitàna stalactite sy stalagmite. Any amin'iny faritra iny koa no ahitàna ny fasan'ny vazimba, olombelona voalohany teto amin'ny Nosy... Ny bokiboky dia biby mpihinan-kena manta...
♦ Afaka adiny efatra no hizotra any Bahir Dar Ethiopia ny lalao ifanandrinan'ny Barea sy ny Antiloppe Etiôpiana, ho fifanintsanana Can 2021... ♦ Miato manomboka anio ny fampianarana ho an'ny sampam-pianarana Siansa eny amin'ny Oniversitea an'Antananarivo. Voalaza ho anton'izany ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Misaona indray ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry androany maraina i Sammy Rabenirainy, ao amin'ny tarika Lôlô sy ny Tariny...
♦ Nahiditra hôpitaly omaly hariva eny amin'ny Soavinandriana ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsirakasy ny vadiny. Voalaza fa tratran'ny aretina gripa izy ireo... ♦ Anio no hotanterahina ny fifidianana izay ho solontenan'ny Antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... ♦ Hotanterahina anio tolak'andro any Bahir Dar ny lalao ifanandrinantsika amin'ny Ethiopia. Samy miandrandra fandresen'ny barea hiakarana any amin'ny Can 2021 indray ny mpitia baolina kitra malagasy...
♦ Tsy mitsahatra ny mamono olona ny Coronavirus eto Madagasikara, tafakatra 361 ny isan'ny maty ; mihamaro ihany koa ireo manana soritr'aretina, mankeny amin'ny Village Voara Andohatapenaka, ho an'ny ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Nanolotra fanomezana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny Governemanta Indiana, fanampiana navantana avy hatrany tany Taolagnaro. Nandray izany ny Praiminisitra Ntsay Christian...
♦ Mitoka-monina ny any Mahajanga nanomboka ny maraina teo. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra sy ny Oniversitea... ♦ Manahy ny solombavambahoaka an'i Nosy-be fa ho tratran'ny kéré koa ny any an-toerana, noho ny fahaverezan'asa maro ateraky ny fanakatonana ny sisin-tany mihazo ny any an-toerana... ♦ Tafakatra 93 ireo kandidà hofidiana ho mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, hisolo tena ireo mpanao lalàna sy filan-kevitra ambonin'ny mpitsara...
Ny fitiavan-tanindrazana dia azo hadika ho fampandrosoana ny tanindrazana niaviana. Ny andron'ny 29 marsa dia tsy ampy hampahalalana ny maro ny atao hoe fitiavan-tanindrazana noho izany dia manana adidy ireo mpisehatra ao anatin'ny telozoron'ny fanabeazana. Ny raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpianatra dia manana zavatra mampiavaka azy ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ny raiamandreny no mpanabe voalohany indrindra ka izy no hiaingan'ny fampianarana ny atao hoe fitiavanan-tanindrazana, isan'izany ny fomban-drazana sy ny fomba isam-paritra...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco