Talata 20 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50

Sitrapon’ny Ray ! Izay no teny mafonja mamintina ny Vaovao Mahafaly androany. Fa inona tokoa moa izay sitrapon’ny Ray izay ? Maro no ahitana an’izany ao anatin’ny Soratra Masina ary toa zary lasa fitenin’ny olona aza indraindray eny amin’ny fiainana andavanandro hoe "Ankinina amin’ny sitrapon’ny Ray !" Raha miteny izany anefa isika dia tsy aferan’ny vava izany fa fiainana handavorariana ny maha kristianina.

Tanjona iray no hiarahantsika manantotosa eto ambonin’ny tany dia ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no atao dia ny hikatsahantsika sy hanomanantsika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Izany no anisan’ny antony hanaovana batemy ny olona iray mba hampidirana azy ho fianakaviamben’Andriamanitra. Noho izany, mpianakavy isika ary samy zanaky ny Ray, hoy ilay hira izay. Noho izany, dia antitranterin’i Jesoa fa izay rehetra manao izay atoron’Andriamanitra dia anisan’ny fianakaviany ary mpiray tampo amin’i Jesoa avokoa. Raha ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly teo àry, dia tsy hoe akory manao tsinontsinona ny havana na ny loharano nipoirana i Jesoa fa te hampianatra antsika izy hoe ny asan’Andriamanitra tsy ijerena lafim-pianakaviana ; ary ny fanjakan’ny lanitra tsy natao ho an’ny olona voafantina fa natao ho an’izay miezaka mikatsaka an’izay sitrapon’Andriamanitra izay.

Ry havana, "fa na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko". Efa tonga mpiray tampo sy havan’i Jesoa akaiky isika noho ny Batemy noraisina, koa samia misikim-ponitra miaina sy mandavorary ny fiainana maha kristianina. Asehoy amin’ny alalan’ny fifandraisantsika tsy tapaka amin’Andriamanitra izany ; izany hoe hamafiso ny fihavanantsika amin’Izy Tompo. Ankoatra izay dia hamafiso hatrany hatrany ny fifankatiavantsika samy isika.

Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany ka hatrany an-danitra, izany no ventesintsika ao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo. Raiso aho Jesoa fa tiako anie Ianao, sitrapoko ny hanara-dia Anao, ny fiainako tontolo no hatolotro Anao, manantena fa ho raisinao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...