Zoma 23 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 18-23

Ny ampahana Evanjely natolotry ny Fiangonana androany dia manohy ny tamin’ny alarobia afakomaly. Fanoharana nataon’i Jesoa tamin’ny vahoaka teo amoron-dranomasina mahakasika ilay mpamafy. Novoaboasan’i Jesoa mazava ny fanoharana ka ny voa afafy dia ny tenin’Andriamanitra izay afafy ao am-pon’ny olona, ka miankina amin’ny toerana hitsimohany sy haniriany no mampahavokatra azy.

  1. Ireo voa latsaka teny amoron-dalana dia ireo olona nandray ny tenin’Andriamanitra nefa tsy nandalina sy tsy miaina azy ;
  2. Ireo voa latsaka tany amin’ny tany be vato dia ireo nandray ny tenin’Andriamanitra nefa tsy nahari-pery sady tsy mahazaka fanenjehana ;
  3. Ireo voa latsaka tany anaty tsilo dia ireo izay nandray ny tenin’Andriamanitra nefa tsy mikatsaka ny zavatra any an-danitra ;
  4. Ny voa latsaka tany anaty tany lonaka dia ireo nandray ny tenin’Andriamanitra ka nanao azy ho fiainana ; nankatoa, nitandro sy niaina izany.

Ry havana, misy hiran’ny mpanakanto hoe tsy mamela anao hipetraka ny Evanjely, tsy mamela anao hipetrapetraka ny Evanjely. Raha tsorina dia hoe tsy ampy ny mandray fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa tsy maintsy alatsaka ao am-po. Ezahana iainana ka atao fototra iorenan’ny fiainana. Aoka àry isika, ho hetsaky ny tenin’Andriamanitra ka hahatonga azy ho nofo eo amin’ny fiainantsika ka hamokatra zato heny.

Izay mitandrina ny Teny ka mitandrina azy ireny, hoy ny Tompo, dia toy ny trano miorina eo ambony vatolampy ka raha tonga ny oram-baratra ombàna rivo-doza dia tsy hihontsina ny trano fa hijoro lalandava. Ny Teninao tokoa ry Tompo no teny mahavelona. Jesoa ô, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...