Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19). 

Sorona Masina notarihin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto amin'ny Arsidiosein'Antananarivo, niaraka tamin'i P. Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana saleziaina  eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, ary ireo pretra mpiara-miasa. Nanentana ireo mpikatroka rehetra ao amin'ny Radio Don Bosco mba hiroso amin'ny lalina kokoa omban'ny herim-po i Mgr Jean Pascal nandritra ny toriteny;"Efa maro ny trai-kefa noraisina tao anatin'ny 25 taona, ka afaka ny manao ny tsara kokoa ianareo. Adidinareo ny mampita ny finoana sy manabe ny mpiara-belona", hoy izy nanatitrantitra.

Nanditra ny lahateny nifandimbiasana no nanambaran'i P. Innocent Bizimana fa asan'Andriamanitra ny Radio Don Bosco satria "Raha tsy  ny Tompo no manorina ny trano dia miasa foana izay manorina azy ireny" (Sal 127,1). 15 taona taorian'ny fahatongavany teto Madagasikara ny salezianina no nanorina ny onjam-peo mba hampielezana ny feon'Andriamanitra ho an'ny vahoaka malagasy indrindra ho an'ny tanora. Nankahery ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Radio Don Bosco izy mba hanatratra ny tanjona dia ny fampivoarana an'i Madagasikara sy ny fanabeazana ny fiaraha-monina. Navoitrany tamin'ny lahateniny fa niainga tamin'ny onjam-peo ihany ny Radio Don Bosco  nefa nahay  nanaraka ny fiovan'ny toetrandro ka nampiasa ny tambajotra amin'ny satelita mba hampifandraisana ireo radion'ny diosezy rehetra eto Madagasikara. Teo ihany koa ny famoronana ny rindra-kajy ho an'ny finday. Nanosika azy ho any amin'ny ho avy ihany koa ny fivoaran'ny teknolojia ka nikirakirana ny teknolojian'ny tranokala sy ny tambajotra-pifandraisana mba hanamafisana ny fifandraisana amin'ireo mpihaino. Tazoniny hatrany ny maha-izy azy sy ny mampiavaka azy amin'izany.

Tsy ny mpiara-miasa rehetra nandritra izay 25 taona ihany no nankasitrahan'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo,  Talen'ny Radio Don Bosco, fa teo ihany koa ireo mpihaino mpankafy, izay anto-pisian'ny RDB.  Tamin'ny famaranana ny Sorona masina no nanolorany ny  amboara ho an'ny Tarika ny Ainga izay nandrindran'ny feon'ny hira faneva amin'izao taon-jobily izao.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...