Talata 10 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26

Ankalazain'ny Fiangonana anio, i Masindahy Laurent, diakra martiry, niaina ny tenin'i Jesoa tamin'ny Evanjely teo hoe : "Raha tsy maty ny voa nafafy tamin'ny tany, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy dia mahavokatra be. Izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hahatahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay". I Kristy no narahany sy notahafiny tamin'ny fanompoana nataony, fa indrindra tamin'ny mangidy niaretany, ka nahafaty martiry azy, ary nahazoany fandresena hitoetra eo anilan'ilay notiaviny sy nanolorany ny fiainany.

Tsy an-tendro-molotra fotsiny ny fitiavana, fa fiainana mifaningotra ka mahatonga fandavan-tena, hiaiky izay takian'izany eo amin'ny tena. Io no ohatra velona nampianarin'i Masindahy Laurent antsika, hiainana ny finoana marina. Finoana maneho ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy mampizotra antsika amin'izay lalana voasoritr'i Kristy sy nodiaviny, hahazoantsika ilay toerana voaomana ho antsika eo anilan'Andriamanitra, hahatanteraka ao amintsika ny tenin'i Jesoa anio hoe : "Izay itoerako no itoeran'ny mpanompoko koa".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...