10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.

Noho ny hatsaram-panahiny sy ny fahamendrehany dia nofidian’i Sixte II ho voalohany isan’ireo diakra fito niasa tao amin’ny Fiketrahana Masina i Laurent ka nampiandraiketiny ny fitantanana ny fananan-piangonana sy ny fizarana ny vola miditra, ho an’ny mahantra sy ny sahirana.

Ny taona 1218, nosamborina ny papa Sixte II ary voaheloka ho faty. Rehefa nentina ho vonoina izy dia nanara-dia an-dranomaso i Laurent nanao hoe : “Ho aiza tsy arahin-janaka ianao ry raiko ? Ray masina oh ! Ho aiza tsy misy diakra ianao, tsy hanolotra sorona mihitsy ianao, raha tsy manampy anao eo amin’ny otely aho”. Dia hoy ny papa Sixte II hoe “Tsy mandao anao mihitsy aho, misy sedra mafy noho izao anefa mitondra anao ho mpandresy am-boninahitra miandry anao, hanaraka ahy ianao afaka telo andro”. Nasain’i Sixte nozarain’i Laurent tamin’ny mahantra avokoa ny fananam-pianagonana mba tsy hanjakazakan’ireo mpanenjika. Nataon’i Laurent an-kafaliana izany ary nozarainy tamin’ireo sahirana ny vidiny. Ny kalisy nampiasain’i Jesoa tamin’ny sakafo niarahany farany tamin’ny mpianany kosa, anisan’ny vakoka ho an’ny Fiangonana dia tsy namidiny fa nalefany tany amin’ny ray aman-dreniny tany Huesca, ka voatahiry ao amin’ny katedraly ao Valence ao Espagne ankehitriny.

Nantsoin’ny préfet tao Rome i Laurent ary nanontaniany momba ireo tahirin’ny Fiangonana ireo ka hoy i Laurent : “Marina fa manan-karena ny Fiangonana ary tsy manana tahiry tsara mihoatra izany ny amperora, atolotro anao ireo fa mba omeo fotoana aho mba anangonako azy”. Nanome azy telo andro ny préfet. Nandritra izany no nanangonan’i Laurent ireo mahantra nampian’ny Fiangonana hatram’izay, ary nentiny teo anolohan’ny préfet rehefa tapitra ny fetrandro. “Ireo ny tahiry nampanantenaiko anao, hoy izy, nampiako ny vatosoa sarobidy dia ireto vehivavy virjiny sy ireto vehivavy manontena manokan-tena ho an’Andriamanitra ireto. Tsy manana harena afa-tsy ireo ny Fiangonana”. Tezitra ny préfet : “Ahoana no ahasahianao mirediredy toy izao sy mandrebireby hay”. Notriariny ny fitafian’i Laurent ka nokapohiny ho rotidrotika. Nentiana tao am-ponja, ary tao no nanasitratran’i Laurent sy nampibehany manam-boninahitra, anisan’ireo ny mpiambina antsoina hoe Hypollite. Nantsoiny teo anatrehan’ny fitsarana izy ary nahantona sy nampijaliana ary tamin’izay no nahitan’i Romain, mpiambina azy io, anjely namafa ny hatsembohan’i Laurent. Napetraka teo ambony harina mirehitra izy ka natono, ka rehefa henony fa may ny ilany, dia hoy izy ampitsikiana : “Efa mendy ny ilany fa avadiho am’izay aho ho ao amin’ny ilany indray”. Dia nodimandry tamin’io taona 258 tao Rome i Laurent. Tamin’ny taonjato fahefatra i Masindahy Ambroise de Milan sy Prudence no nanokana antsa ho an’ity martiry malaza it,y ho fanomezam-boninahitra azy.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...