Alatsinainy 9 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 22-27

[audio src="/images/sounds/20210809-evanjely.mp3" background="#0099ffff"

Azo zaraina roa araka ny fandrenesantsika azy teo ity Evanjely ity. Voalohany, ny fanambaran'i Kristy ny lalana voasoritra tsy maintsy hodiaviny : ny hijaliany sy ny hahafatesany ary ny hitsangany ho velona. Tsy ho azy anefa, no nanammarany izany — fantany fa izany no sitrapon'ny Ray, hahavonjy ny olombelona nanirahana azy, sady isehoan'ny maha Zanak'Andriamanitra azy — fa ho an'ny mpianany, mba tsy hanova ny fisainany na hahavery finoana azy ireo, indrindra manoloana ny fahefana sy ny hery ananan'i Kristy, niharihary teo imasony. Ny finoana lalim-paka tsy mba ho foanan'ny sedram-piainana, fa hanantenana ny herin'Andriamanitra mandrakariva. Izany no ampianarin'i Kristy ny mpianany.

Manaraka izany, ny fanehoan'i Kristy ny maha Andriamanitra azy, Zanaka malalan'ny Ray : fanaon'ny Jody ny madoa hetra mba hanamboarana ny tempoly ao Jerosalema, izay manamarika manokana ny finoany. Ny tempoly anefa dia manamarika an'Andriamanitra eo anivon'ny vahoakany, ary i Kristy dia tsy iza, fa Zanak'Andriamanitra tonga hanatanteraka ny famonjena antsika. Tsy Andriamanitra velively no tokony hanatanteraka izay tokony hatao azy, fa isika olombelona. Fa mampianatra antsika izy hankatoa ny lalana sy ny fomba amam-panao, tsy hanatanteraka izay takian'ny finoana fotsiny, fa hampirindra ny fiarah-monina koa. I Kristy no arahantsika ; Izy no tahafintsika sy ianarantsika, koa enga anie hifototra ao aminy ny tenantsika sy ny fiainantsika manontolo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...