♦ Ahitàna filaharam-ben'ireo manan-draharaha nanomboka omaly eny amin'ny fitsaràna Anosy, taorian'ny fiverenan'ny asa ao amin'ny sampana firaiketan-draharaha... ♦ Nankatoavin'ny HCC ho mifanaraka amin'ny Lalam-panorenana ilay tolo-pehin-kevitra momba ny fitsipika anatiny manokana ampiharina eo anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ kajikajy politika sy fanitsakitsahana lalam-panorenana ny mbola nanolorana tolo-dalàna vaovao mifehy ny mpanohitra...
Ny ray aman-dreny dia tokony hanaraka sy hanaja fitsipika. Sahirana ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanany satria tsy mitovy ny fomba handraisan'ny ankizy ny ho fihibohana. Araka izany dia hasaina ireo ray aman-dreny mba hiezaka hamantatra ny tetiandrom-pampianarana sy ny fizotran'ny fanabeazana ireo zanany. torak'izany koa ny toe-tsain'ny ankizy ahafahana manampy azy satria misy akony lehibe ny fahabangana (mpampianatra, namana, tontolo manodidina eny anivon'ny sekoly)...
♦ Tsy manaiky ny nanaovana herisetra ny namany ny Holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty, hametraka fitoriana eny amin'y Fitsaràna izy ireo... ♦Ministeran'ny fanabeazam-pirenena: Miandry toromarika vao hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana BEPC... ♦ Naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny alalan'ny filanjàna sora-baventy ny mponina any Ampilambe kaominina Analavoka, manoloana ny fisiana milina mpitrandraka vato kristaly tsy ara-dalàna...
♦ Hitory eny amin'ny fitsarana ny Holafitry ny Vaditany sy ny Mpanao lavanty eto Madagasikara, manoloana ny herisetra nandratrana ny naman'izy ireo. Nisy androany ny fanambarana nataon'izy ireo, mikasika ity raharaha ity... ♦ Efa mihena dia mihena ny isan'ireo tranga vaovao Coronavirus eto amintsika. 63 no isan'ireo voamarina fa mitondra izany, raha ny tarehimarika nivoaka androany. Nisy olona 8 indray anefa matin'ity valan'aretina ity...
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: "Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko".
Alarobia 19 mey 2021 — Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa, Olontsambatra — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30
♦ Nanazava ny fizaràna asa eo amin'ny Filohan'ny repoblika sy ny Praiministra, ny lehiben'ny governemanta Ntsay Christian, tsy misy olona ny fifandraisana eo amin'izy ireo... ♦ Nody mandry teo amin'ny faha-60 taonany ny Radavidson Andriamparany B, Ministra teo aloha nandritra ny fitondrana Ravalomanana... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ireo ivon-teoram-panadinana manerana ny nosy ny taratasim-panadinana rehetra ho an'ny CEPE sy ny BEPC...
Talata 18 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11
♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...
♦ Hitady ny fomba handravana ny didim-pitsarana nivoaka momba ny raharaha andramena tany Singapour sy ilay fandoavana onitra amin'ny orinasa vahiny Polo Garment, potika tamin'ny taona 2009 ny fitondrana malagasy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Mbola hisy fanadihadiana atao momba ny nahatrarantsika ny Pic na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa mbola anatin'ny ady amin'ny Coronavirus isika, na efa midina aza ireo tranga vaovao...
Aretina mbola misy eto Madagasikara ny tazomoka ary mbola mamono olona maro manerana izao tontolo izao. Ny tazomoka dia aretina afindran'ny kaikitry ny moka amin'ny olombelona. Ilay moka antsoina hoe "anophèle" no mamindra azy. Miteraka fanaviana ny tazomoka, nefa tsy misy hanavahana io fanaviana io amin'ny aretina hafa, noho izany ny fanaovana fitiliana ihany no ahafantarana na voan'ny tazomoka na tsia ny olona iray.
Alatsinainy 17 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco