♦ Ny eo anivon'ny Covax, izay mpiara-miasa nanafarantsika vakisiny mihitsy, no misy dingana tsy maintsy arahana, hanaovana fanadihadiana lalina ny amin'ilay dokotera namoy ny ainy tany Fianarantsoa, tao aorian'ny nanaovana vakisy Coivshield azy... ♦ Fandrosoan'ny demôkrasia eto Madagasikara ny fahalanian'ny lalana mifehy ny mpanohitra, teny amin'ny Andenimieran-doholona androany, ary tombony sy fanomezana sehatra ao anatin'ny ara-dalana ny antoko mpanohitra, hoy ny Solombavam-bahoakan'Ikongo, izay nanolotra ity tolo-dalana ity...
Alatsinainy 31 mey 2021 — Ny Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Sambany isika teto Madagasikara no nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Manan-danja lehibe amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny famokarana ny tantely...
♦ Handinika amin'ny antsipirihany ilay tolo-dalàna momba ny fanomezana ny zom-pirenena Malagasy ho an'ny vahiny ny solombavambahoaka. Tsy maintsy hisy ny masotsivana apetraka... ♦ Sahirana amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny firongatry ny tsy fandiam-pahalemana ny vahoaka any Androy hoy ny deputé Massi Boulamaly... ♦ Jono an-dranomasina : Tanterahana androany ary hitohy rahampitso ny dinika eo amin'ny vondrona Eraopeana sy i Madagasikara...
Manana andraikitra maro ny ray aman-dreny manoloana ny zatovo. Ny fikarakarana sy fanehoana fitiavana azy dia manampy amin'ny fitadiavany ny maha-izy azy. Ny fanomezana lanja ny azy dia hahatonga azy ho olona sahy handray andraikitra. Ny filan-kevim-pianakaviana dia hery ho azy hahafahany mibea ny tenany...
♦ Voka-pikarohana manatsara sy manamora vidim-piainana ny fatana akofa. Ny fampiasàna ity fatana ity dia fomba hiarovana ny ala tsy ho ripaka. 97% ny mponina eto Madagasikara no mampiasa ny hazo ho angovo, ka ny 48% mampiasa arina ary ny 49% mampiasa kitay... ♦ Ny raketa na ny rakaita dia zava-maniry misy eto Madagasikara, hita any amin'ny faritra atsimo. Zava-maniry mpitahiry rano, antsoina amin'ny anarana siantifika opuntia ficus indica...
♦ Nanentana ny solombavambahoaka namany mba ho sahy heneho hevitra sy hilaza ny marina hatrany ny depioté Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Mbola mikatso ny raharaha momba ilay vadin-tany niharan'ny herisetra, naratra nandritra ny fanatanterahany ny asany... ♦ Mangataka ny hamoahana haingana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ny mpandraharaha Rakotoniaina Roland...
Alahady 30 mey 2021 — Ny Trinite Masina — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20
♦ Mbola tsy misy tohiny hatramin'izao ny raharahan'ilay vadintany izay niharan'ny vono sy herisetra teo am-panatanterahana ny asany, tao amin'ny tokantrano iray tao Antananarivo Renivohitra tao... ♦ Lany ho Filohan'ny vaomiera misahana ny fandiniana ireo fangatahana fampiatoana ny fitanana am-ponja sy ny fanenjehana Solombavam-bahoaka iray, ny Solombavam-bahoakan'i Sakaraha...
♦ Tsy matahotra na miala andraikitra ny Solombavam-bahoaka amin'ny fandinihina ny raharaha mahakasika ny fiampangana ireo olona ambony ao amin'ny Haute Cours de Justice, fa misy ny sakana mbola tsy ahafahana mandinika ireo antontataratasy fiampangana, eo anivon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Misaona ny tontolon'ny Fampianarana Ambony, nodimandry omaly teo amin'ny fahenina amby fitopolo taonany i Gabriel Rabearimanana...
♦ Tany Midony-Atsimo, mbola nitohy omaly antoandro ny fifanandrinana teo amin'ireo jiolahy nirongo basy sy ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin'ny fokonoloka. Nifanehitra tamin'ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ny ampahany tamin'izy ireo omaly, nahatonga izay fifandonana izay... ♦ 54 tapitrisa dolara ny vola nomen'ny mpiara-miombona antoka an'i Madagasikara, ary amina miliara ihany koa no natokan'ny fitondram-panjakana malagasy, hijerena ny fampadrosoana sy ny vahaolana maharitra any atsimo...
♦ Fanambin'ny Foloalindahy Malagasy ny hamerina amin'ny laoniny ny filaminana any Midongy-Atsimo, ao anatin'ny fotoana fohy. Any an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana. Miantso ny malala-tanana hamonjy ireo vahoaka voatafika ny Solombavam-bahoakan'i Midongy-Atsimo... ♦ Mihamidina hatrany ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 45 ireo mitondra izany tamin'ny fitiliana manerana ny nosy omaly...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco