♦ Misokatra avokoa ny Faritra rehetra manerana ny nosy manomboka amin'ny zoma 04 Jona izao. Hiverina an-tsekoly ny mpianatra rehetra manomboka amin'ny Alarobia izao... ♦ Nahatezitra ny mpivarotra tany amin'ny tsenam-pokontany samihafa tao an-drenivohitra sy ny manodidina ny fandraràn'ny mpitandro filaminana azy ireo tsy hivarotra ny sabotsy teo... ♦ Nomarihana omaly alahady fetin'ny Trinité Masina ny andro eran-tany faha-55 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona...
♦ Ankalazaiana amin'ny alahady 30 mey ho avy izao, fetin'ny Trinite Masina, ny Andro Eran-tany faha-55 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona. Fandaharana manokana eto amin'ny Radio Don Bosco, iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara no hanamarihana izany... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, 300 mahery no isan'ireo mbola manaraka fitsaboana, ka 200 mahery amin'ireo no ao anaty fahasarotana, 82 ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina tamin'ny fitiliana natao omaly...
Talata 1 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17
♦ Hisy ny fandaharana manokana eto amin'ny Radio Don Bosco, hamakafakana ny hafatry ny Papa François, ho fanamarihana ny Andro Eran-tany faha-55 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona... ♦ Saro-piterahana ny Faritra faha-23, fito volana tao aorian'ny nidinan'ny Filohan'ny Repoblika tany amin'ny Faritra Vatovavy Fitovinany, mbola tsy tontosa ny fizarana io Faritra io...
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra."
Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."
Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: "Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?" Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: "Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika".
Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: "Raiso, fa Vatako ity". Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: "Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: "Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa."
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: "Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?" Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?" Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo."
Tamin’izany andro izany, naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?" Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako." Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: "Sarin’iza, sy anaran’iza io?" — Hoy iretsy hoe: "An’i Sezara." Dia hoy i Jesoa taminy: "Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra." Dia nigagan’izy ireo Izy.
♦ Nandrombaka medaly enina ireo atileta Malagasy eo amin'ny fibatana fonjam-by, tamin'ny andro voalohany niakarany kianja ho fiadiana izay ho tompon-dakan'i Afrika, izay atao any Kenya... ♦ Handalo asam-baomiera eny amin'ny Antenimieram-pirenena anio, ny tolo-dalana mikasika ny zom-pirenena, raha nankatoavin'ny Loholona omaly, ny tolo-dalana mifehy antoko mpanohitra...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco