Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent,  lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).

Isan-taona, ny Salezianina rehetra an-dalam-piofanana dia manavao voady, andro mialohan'ny voady voalohany izay ataon'ireo Novisy no fanatanterahana izany. Marihina fa efa lovam-panahy ho an'ny Salezianina eto Madagasikara ireo fotoana voatondro ireo. Anisan'ny nanamarika ny harivan'ny 7 septambra àry ny fanavaozana voady izay nataon'ireo Frera miisa 15, ka ny enina tamin'izy ireo no nanavao mandritra ny roa taona raha toa ka iray taona ny sisa. Fa teo ihany koa no nadraisana an'ireo Novisy vaovao miisa 18 izay hisolo toerana azy 22 mirahalahy, nanamarika an'izany ny fandraisan'izy ireo ny Baiboly Masina, izay angady ho entiny miasa mandritra ny Novisia. Ary nofaranana tamin'ny fitsofan-drano an'ireto Novisy vao hanao voady ny fotoana, tso-drano izay nataon'ireo ray aman-dreny niteraka azy ireo.

Ny marainan'ny 8 septambra, tamin'ny 8 ora sy sasany no nanomboka ny Eokaristia Masina izay notarihin'ny Prôvinsialy. Nisongadina nandritra ny toriteny ny famoaboasany ny teny fanevan'ireto mpanao voady. Nambarany fa ny maha kristianina dia mitaky adidy sy andraikitra, tsy eo anivon'ny Fiangonana ihany fa misandrahaka eo anivon'izao tontolo izao. Ary amin'ny maha mpianatr'i Kristy antsika dia adidintsika vita batemy ny mitory ny Vaovao Mahafaly mba hamoa be ny voa nafafy ka ho tonga mpianatra mahatoky tokoa isika. Nitodika tamin'ireto hanao voady ny lehibem-pikambanana, fa tsy tanjona ny voady fa fiainana sy firosoanana lalindalina kokoa amin'ny fanarahan-dia an'i Kristy. 

Namaranana ny Sorona Masina ny fifandimbiasam-pitenenana nataon'ireo solontenan'ny vao avy nanao voady, ny solontenan'ny ray aman-dreny niteraka ary ny Lehibem-pikambanana, fa raha atao bango tokana dia faly ny rehetra ; ny fiarahabana, ny firarian-tsoa ary ny fisaorana no nipololoatra avy tao am-pon'ny rehetra. 

Raha asian-teny kely ny  mikasika an'ireto vao avy nahavita voady dia tsy maintsy mihazo an'i Fianarantsoa izy ireo, hanohy ny dingam-piofanana manaraka izay toeram-piofanana anaovana ny filozofia ka maharitra telo taona izany. Mbola lavitra ny lalana tsy maintsy haleha ka ny mitondra am-bavaka azy ireo no atao.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...