♦ Natomboka androany ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Coronavirus eto Madagasikara. Natao vakisiny Covidshield voalohany teny amin'ny HJRA ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Covid-19, dimampolo amby zato kosa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo natao fitiliana, raha ny tarehimarika navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka androany...
Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17
Alakamisy 13 mey 2021 — I Jesoa Krisy niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20
♦ Efa mihamihena ny isan'ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19, any amin'ny Prefecture Nosibe sy Antsiranana... ♦ Ho tonga miandalana ireo karazam-baksiny hafa ho fisorohana ny covid-19 fa tsy mbola nambara ny daty hatongavan'izany... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara manomboka anio Alatsinainy 10 Mey...
Alarobia 12 mey 2021 — Herinadro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15
♦ Hanomboka anio alatsinainy 10 mey ny fanaovana vakisinin'ny Covid-19 eto Madagasikara. Ny 3%-n'ireo vondrona marefo na tena hatahorana aloha no hahazo izany amin'izao andiany voalohany izao, ka daozim-bakisiny 250.000 no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, hanatanterahana izany, tamin'ny sabotsy maraina teo...
♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...
Ny Takilodrano dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra, kankana antsoina hoe "Kankan-dio" (Schistosoma). Misy karazany telo ny kankan-dio eto Madagasikara dia ny Schistosma mansoni, izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinay ; ny Schistosoma haematobium izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tatavia na ny taovam-pananahana ; ary ny Schistoma intercalatum izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinaim-body na ny taovam-pananahana. Eny amin'ny ranomamy miandrona na mikoriana miadana no ahitana io katsentsitra io. Monina ao amin'ny sifotra izy avy eo mifindra amin'ny olona.
Talata 11 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5-11
Alatsinainy 10 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4
Alahady 9 mey 2021 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17
♦ Tany Antsirabe, mpiasan'ny haino aman-jery iray sy mpitandro ny filaminana telo no naratra. Nisy fahasimbana fananana iombonana sy fananan'olon-tsotra nandritra ny sakoroka nitranga tany Antsirabe alina, noho ny tsy fankasitrahan'ireo mpitokona tany an-toerana ny fampiatoana ny asa aman-draharaha any Vakinankaratra manomboka amin'ny 2 ora tolakandro, ho fifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco