Alarobia 1 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44

Raha mandinika ity andalan-tSoratra Masina nosoratan'i Masindahy Lioka ity isika, dia mahatsapa fa misy asa maro samihafa tanterahin'i Kristy eto. Avy nivavaka sy nitory teny ampahibemaso tao amin'ny sinagôga izy, dia lasa niditra tao an-tranon'i Simôna, izay azo lazaina fa namana akaiky azy, izany hoe, mba namangy ireo fianakaviana noheveriny sy noraisiny ho toy ny fianakaviany tokoa. Ary tsy vitan'izay ihany fa nandray an-tanana ny fitsaboana ity renim-pianakaviana izay nararin'ny tazo. Tsy ireo fianakaviana akaiky azy fotsiny anefa no nanaovany asa soa toa izany, fa izay marary rehetra tao an-tanana, indrindra moa fa izay nahalala azy, eny fa na dia hatramin'ny demony aza. Izany no manambara fa tonga hanasitrana sy hamonjy ny olona rehetra izy Kristy, ary tsy maintsy mitory ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanana maro sy eran'izao tontolo izao mihitsy. Raha fintinina izany dia tonga amin'ilay fiteny malagasy hoe : "Toy ny ombalahy be vozona, i Kristy, ka tsy mifidy tany hiadiana", na koa "toy ilay tovolahy be lamosina ka tsy mifidy zaza hobabena".

Manaporofo àry, fa tsy nisatry fanahy mihitsy i Kristy, tamin'ny fanatanterahana ny iraka nanirahana azy na dia teo aza ny sedra sy ny sakantsakana nahazo azy. Ohatra azo alain-tahaka àry, i Kristy eto, ho an'ireo izay voaantso sy voairaka hitondra famonjena, mba tsy hahalala sasatra sy tsy ho kivikivy eo am-panatanterahana ny asa sy ny adidy ampiandraiketina azy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...