Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy. Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: "Ianao no Zanak’Andriamanitra"; fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.
Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony; fa hoy Izy taminy: "Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy." Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.