Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Hiakatra avokoa manomboka amin'ity volana novambra ity, ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana eo anivon'ny CNaPS. Hisondrotra 42 % ohatra, ny volan'ny bevohoka... • An-taratasy fotsiny no betsaka amin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara, hoy ny PFSCE. Nomarihana androany teny Alarobia ny Andro eran-tany ho an'ny zon'ny ankizy... • Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho “Agent de Police”. Ny fampitovian-jo ireo mpifaninana rehetra no anton'izany, hoy ny Minsiteran'ny Filaminam-bahoka...

♦ Tsy nahagaga ny fanapahan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fampitoviana ny zo sy ny tombontsoa ho an'ireo mpanolontsaina avo eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara hoy ny Mpanohitra... ♦ Tsy prefen'ny pôlisy Antananarivo-renivohitra intsony ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Andriamatoa Abraham Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, indray no voantendry hisahana izany andraikitra izany... ♦ Hampiantrano indray ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny taranja Basket lalaovin'olona telo i Madagasikara ny 5 hatramin'ny 7 desambra ho avy izao ; namphafantarina omaly ny sary famantarana ny fifaninanana...

Ny fahaiza-mihaino dia manamafy ny fifandraisana, izay fototry ny fifampitokisana. Ny fifampitokisana dia ilaina eo amin'ny olon-droa mifankatia na ankohonana, fiaraha-miasa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fisokafana eo amin'ny mpitondra sy vahoaka, miteraka fanantenana lehibe izany ; voaporofo ny fananana fahafahana raha tsy hilaza afatsy ny fahafahana mivory sy miteny. Tena ilaina ny toe-tsaina tena tompon'andraikitra ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, ilaina ihany koa ny tsikera ombana soso-kevitra miabo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...