Alatsinainy 30 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30

"Nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy". Tsy hoe mizahozaho akory i Kristy eto, raha mamaky ny bokin'i Izaia Mpaminany, fa ao anatin'ny votoatin'ny iraka nanirahan'Andriamanitra Ray azy teto an-tany, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, mba hampibebaka ny Jody, ary amarininy sy porofoiny izany araka ny volazan'i Masindahy Lioka : "Androany no tanteraka eo amin'ny sofinareo izany soratra izany". Mijoro ho vavolombelona i Kristy eto, fa izy mihitsy no Teny tonga nofo, ka nonina tety an-tany, nefa tsy nekena sy tsy ninoan'ireo manodidina sy mpiara-miaina aminy izany, fa noheverin'izy ireo ho olona mitovy aminy ihany : "Tsy zanak'i Josefa va ity ?". Vokatr'izany, nambaran'i Kristy tamin'izy ireo fa "ny Mpaminany tsy masina an-taniny".

Hamafisin'i Kristy ihany koa fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba mety ho lefy na ho tranainy, fa manan-danja ankehitriny mandrakariva. Voahosotra hamonjy izy, ary tsy mety ho lefy laza izany famonjena tanterahany izany, eny fa na dia amin'ny andro ankehitriny aza, fa isika kosa no saro-tiavina ka manao tahaka ny vahoaka tao Nazareta, manapi-maso sy manentsi-tadiny amin'izay ambaran'i Kristy. Tsy hoe mitory ny Vaovao Mahafaly fotsiny i Kristy, fa izy mihitsy no Vaovao Mahafaly, mihoatra lavitra noho ireo mpaminany teo alohany, toa an'i Elia sy Elizea. Manam-pahefana amin'ny zavatra rehetra izy, ary Tompon'ny hery afaka mamonjy amin'ny sarotra sy ny aretina mpahazo antsika olombelona.

Mitaky finoana izany, mila fahatokisana tanteraka. Koa mba tsy hanaovana toetra tahaka ny nahazo ireto nandre azy tao amin'ny Sinagôga àry, dia meteza mba ho resy lahatra amin'ny maha izy azy an'i Kristy, ary hankato sy hanatanteraka ny Vaovao Mahafaly ambarany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...