Alahady 5 septambra 2021 — Alahady fahatelo amby roapolo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37
Hitantsika fa i Jesoa dia nitety faritra maro ka tonga tany Dekapaoly, ivelan’ny faritr’Israely, faritra misy ireo jentily na ireo faritra mbola tsy mino an’Andriamanitra ka tojo ity lehilahy moana no marenina. Ny moana dia tsy afaka miteny ka tsy afaka mifampiresaka amin’i Jesoa. Toy izany koa ny marenina, tsy afaka maheno izay ambara sy tenenina aminy. Sarotra sy manjavozavo noho izany ny fifandraisana ary mazava fa ity lehilahy ity dia mbola tsy naheno ny Vaovao Mahafaly ka tsy mahalala an’i Jesoa.
Matetika ao amin’ny Evanjely, izay mila famonjena no manatona, miangavy an’i Jesoa, fa ity moana no marenina ity kosa, ny fianakaviany no nitondra azy teo aminy. Ahoana tokoa moa no hifandraisana amin’i Jesoa raha tsy afaka miteny sy mandre ? Ataon’ny marary ambavahaona ahoana no hanatona ny mpitsabo raha reraka sy malemy izy ? Eto no ahitantsika ny fifanampiana eo amin’ny fianakaviana. Mbola hita sy tsapa izany ao amin’ny tokantrano, indrindra raha zanaka sy menaky ny aina. Ka ity lehilahy moana no marenina ity dia lasa tahaka ny zaza, tsy mahavita na inona na inona fa miankina amin’ny manodidina, tahaka ny zaza amin’ny ray aman-dreniny. Tsy afaka hifandray amin’i Jesoa raha tsy misy mpanelanelana dia ny fianakaviany.
Mampahatsiahy antsika ny batemy noraisina tamin’ny fahazaza àry izany toe-java-misy izany. Ny finoan’ny ray aman-dreny no andraisana anaovana batemy ny zaza. Ity moana no marenina ity dia tahaka izany, ireto fianakaviana no nitondra azy teo amin’i Jesoa. Mankalaza ny faha-160 taona nidiran’ny finoana ny diosezin’Antananarivo. Niely eran’ny Nosy tsikelikely izany finoana izany tamin’ny alalan’ireo ray aman-drenintsika na ny fianakaviana. Tsy manolo-bato mafana antsika ireo ray aman-dreny fa nitondra antsika hanatona an’i Jesoa.
Aoka àry, isika tsy hitsipa-doha laka nitana fa hahay hamelomaso ny anaran-dray, tsy handraraka ilo mby an-doha. Rahefa mifikitra sy maharitra amin’ny finoana isika ary mizara sy manambara izany amin’ny fiainantsika, amin’ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika isan’andro, dia izay ilay afaka amin’ny fanagejan’ny demony tsy afaka miteny sy mihaino.
Ny sofina dia ahafahantsika mihaino ny tenin’Andriamanitra sy ny toriteny, ny vava dia hiderantsika sy hankalazantsika ary hanambarantsika an’Andriamanitra. Enga anie hampiasaintsika araka ny tokony ho izy ireo fitaovana nomen’Andriamanitra antsika ireo. Tsy sanatria ka hampiasaintsika hamonoana ny hafa, fa ho fitaovana hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra kosa. Raha mbola zaza, tsy afaka manao na inona na inona fa rahefa lasa tanora matotra kosa dia afaka manambara sy mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Io ilay lazain’i Jesoa : "Aza milazalaza aloha izay hitanareo. Ho avy ny fotoana tsy maintsy hanambaranareo ahy".