• Misy fampiasam-bola hikononkononana fanasoketana mpitondra eto amintsika, hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, androany... • Misy amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no efa mivonona ara-tsaina, hiatrika ny ady amin'ny valan'aretina MPOX. Nilaza ny tsy handray an-tanana ireo voan'io aretina io kosa ny fiombonan'ireo "Internes" eto Madagasikara... • Hivaha tsy ho ela ny famatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo, hoy ny Minisitry ny Rano androany. Novatsiana milina mpamokatra herinaratra fiandry, ireo fitaovan'ny Jirama manosika rano, amin'ny toerana miisa 14...
Nahavelom-belo ny mpiantsehatra amin’ny lalam-pihariana ronono iny taona 2025 lasa iny. Nivoatra hatrany mantsy ny tontolon’ny lalam-pihariana ronono eto amintsika hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.
• Nitatitra ny zava-nisy niainan'izy ireo tao amin'ny orinasa, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny mpiasan'ny SECREN omaly. Mila harenina hanana ny toerany indray ity orinasa ity, hoy ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Manentana ny mponina mivezivezy ao an-drenivohitra, hampihatra ny fepetra fisorohana ny valan'aretina MPOX, ny Fiadidiana ny Tananan'Antananarivo. Miara-miasa amin'ireo mpisehatra amin'ny fitateram-bahoaka ihany koa ny Kaominina... • Hamoaka ny mari-pamamntarana hahalalana azy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB atsy ho atsy. Fitaovana hahalalana manokana ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy, vokarin'ny mpikambana...
• Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny sendika Triade. Saika mboa ny olon'ny fitondra teo aloha avokoa, hoy izy ireo, ny 95 % ny ekipa teknika ao amin'izany minisitera izany... • Hikarakara ny dingana rehetra amin'ny fanendrena ny Tale Jeneralin'ny CNAPS vaovao, ny Minisiteran'ny Asa, Fampanana asa ary ny Asam-panjakana. Nametra-pialana ny Tale Jeneraly Vimbina Rahaingonjatovo... • Mametraka paikady tsy hiparitahan'ny valan'aretina, indrindra fa ny nendran-drajako, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoam-pahavaratra izao...
• Nametra-pialana ny Tale Jeneralin'ny CNAPS, Vimbina Rahaingonjaotovo. Tontosa androany maraina teny Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny solontena avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana asa ary ny Asam-panjakana... • Mitaky ny hanoloana ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny sendika Triade. Mbola mitohy ny antsojay sy ny sakantsakana samihafa, tsy ahafahana miroso amin'ny fanavaozana, hoy izy ireo... • Tsy hametraka trano fialofana ho an'ireo traboina vokatry ny tondra-drano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin'ity fotoam-pahavaratra ity, ho fampiharana ny fiarovana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina nendran-drajako...
• Nietry hatrany ny harin-karena teto Madagasikara nanomboka ny taona 1972, araka ny fampirantiana an-tsary karakarain'ny FTHM Consulting. Isan'ny antony nahatonga izany ny tetezamita izay tena lava tokoa... • Nanome toky, fa hanatanteraka fifidianana hidirana any amin'ny Repoblika fahadimy, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Michaël Randrianirina... • Miseho sahady ny endri-panararaotana ataon'ny mpivarotra ny arovava sy orona, izay isan'ny sakana ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny areti-mifindra MPOX...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy, ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny delegasiona miaraka aminy. Marolafy ireo fandaharam-potoanany amin'izany... • Nodimandry i Houssene Abdallah. Andraikitra maro teto amin'ny firenena no efa notanany, toy ny naha mpikamban'ny CENI azy, Minisitra ary Solombavam-bahoaka... • Vonona hanome tohana ireo mpianatra afaka Bakalorea, tsy tafiditra eny amin'ny oniversitem-panjakana, ny sekoly ambony ESDES. Misy ny fidirana andiany faharoa...
• Navotsotra rehefa avy notanana herinandro teny Fiadanana, Andriamatoa Alain Andriamiseza. Nahiahiana ho nitarika fanakorontanana saika notanterahana omaly 5 janoary izy. Fiahiahiana nolaviny marindrano... • Tsy tokony hisy fitanilana, hoy ny Solombavam-bahoaka Pety Rakotoniana, ny ady atao amin'ny tsy maty manota. Mila miantoka ny fitoniana eto amin'ny firenena ny fanjakana, hoy ity depiote ity... • Mila tohizina amin'ity taona ity ny dingana vita tamin'ny fampiroboroboana ny fizahan-tany teto Madagasikara tamin'ny taon-dasa. Tokony hajaina ny lalana sy ny fenitra misy, hoy ireo mpisehatra amin'ny fizahan-tany sy ny mpikarakara mpizaha tany...
• Diso hevitra ireo miteny fa mamerina ny nataon'ny teo aloha ny fitondrana amin'ny fanenjehana ara-pitsarana misy amin'izao, hoy Ramasy avy amin'ny Vondrona Panorama. Nambarany fa tokony ho zatra fampiharan-dalana isika Malagasy... • Olona 11 no maty, 274 tra-boina teto amin'ny Faritra Analamanga, vokatry ny oram-be tato ho ato. Tao ireo nianjeran'ny trano, nisy ny nilatsaham-baratra, raha ny tatitry ny BNGRC androany... • Ambim-bolam-panjakana ilay "prime" 310.000 Ariary, ho an'ny mpiasam-panjakana. Nanazava ny momba izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fananganan-tsaina voalohany teny Iavoloha...
• Niakatra ho 76 ny isan'ireo tranga ahiana fa aretina nendran-drajako hita eto Madagasikara. Nitombo ny faritra ahitana azy, raha ny tarehimarika avy amin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Navotsotra, saingy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana i Moussa Soahily, taorian'ny fiakarany fitsarana omaly hariva. Diso ny vaovao niparitaka fa nalefa eny Tsiafahy ity mpomba ny fitondrana teo aloha ity... • Hiverina ny fitondrana arovava sy orona eny an-tsekoly. Namoaka naoty ho fampiharana ireo fepetra fisorohana ny Mpox amin'ny sehatry ny fampianarana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, omaly...
• Nampiaka-peo ny Filohan'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Tsy manara-dalana ny fanesorana ny fanenjehana ny depiote Sahodraharimalala Marie Michelle, hoy izy... • Hisy fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara indray, ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX, raha tsy voafehy haingana, hoy ny manam-pahaizana iray... • Hiverina ny arovava-orona sy ireo fepetra sakana eny an-tsekoly rehetra, hisorohana ny fiparitahan'ny aretina nendran-drajako. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
• Mandray andraikitra manandrify azy tsy hiparitahan'ny aretina nendran-drajako na Mpox, ny tompon'andraikitra samihafa. Miisa 40 ireo ahitana soritr'aretina, araka tarehimarika farany... • Tsy marina ny vaovao niely momba ny fahazoan'ireo tompon'andraikitra samihafa, miara-miasa amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, valisoa manokana, hoy ny Talen'ny Kabinetra, Onitiana Realy... • Maro ny asa mivaingana vita, nitondrana fanavaozana, eny amin'ny tontolo ambanivohitra, araka ny tatitra nataon'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tantsaha maherin'ny 90.000 no nisitraka fanohanana niatrehana ny taom-pambolena lehibe...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco