Ny "appendicite" (aretina) dia tsy mety levonina fa tsaboina na didiana hiala teo amin'ny toerany rehefa re marary. Ny "appendice" dia taova madinika iray ao anatin'ny taovam-pandevonan-kanina, izy io dia mety hirefy 3cm hatramin'ny 60cm. Ny asan'io "appendice" io dia mitahiry ireo bakteria tsara sy ilain'ny tsinay. Ny toerana misy azy dia eo anelanelan'ny tsinaikely sy ny tsinaibe, manampy ny tsinay hanao ny asany indrindra amin'ny famoahana maloto... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nihaona tatsy Afrika-atsimo, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha afrikana tatsimo Cyril Ramaphosa... ♦ Nosoniavin'ny mpanao pôlitika nandray anjara tamin'ilay dinika natao teny Ankorondrano ny fifanarahana pôlitika narafitry ny KFIM. Takiana ny handravana ny andrim-panjakàna sy ny fanafoanana ny lalam-panorenan'ny repoblika fahaefatra... ♦ Valaran'aretina MPox, Faritra miisa 17 no ahitàna olona mitondra ny soritr'aretina. Miisa 78 ny tranga voamarina tamin'ny alalan'ny fitiliana natao miisa 154...
Ny teny hoe Komonio dia avy amin'ny teny grika hoe "communio" izay midika amin'ny teny frantsay "qui appartient à plusieur" izany hoe an'ny besinimaro, natao handraisana ny Vatan'i Kristy araka ny antso nataony hoe "Raiso ary hano" ; ny fandraisana azy dia maneho fiombonana lalina amin'Andriamanitra. Ny mety miova amin'ny firafitr'ny litorjia dia ny amin'ny Alakamisy Masina... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Tononina izy amin'ny lamesa andavanandro, na amin'ireny lamesa tsotsotra ireny, na amin'ny fanompoam-pivavahana tsy misy lamesa. Misy "formule" fampiasa ao amin'ny boky fanaovana lamesa "Missel" izay ny mpitarika no manomboka azy hoe " Manaraka ny didy nomen'ny Mpamonjy isika, ary nampianarin'Andriamanitra ka sahy manao hoe" dia miaraka manonona ny "Rainay..."... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Voarafitra anaty fifanarahana politika ireo hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-dohan'ny antoko politika, ny tapaky ny volana desambra teo. Antoko maherin'ny zato no nanao sonia io fifanarahana io teny Mahamasina androany... • Mbola ho sarotra ny dingana ho lalovana vao hanan-kery tanteraka ny lalana manalava ny AGOA, ho an'ireo firenena afrikana hisitraka izany, ka isan'izany i Madagasikara, hoy ny mpahay fitantanana sy toekarena, ny Profesora Ralison Roger... • Hanatsara zavatra ny nametrahana Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anvion'ny orinasa JIRAMA, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tokony ho hita manomboka izao ny fanavaozana ity orinasam-panjakana ity, ka ao anatin'izany ny fanovana ny fomba fitantanana...
Nilofo tamin’ny fiompiana kankana amokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irety ny voka-pikarohahna ka nahitan’izy ireo tombotsoa ny mpitarika RANAIVOARISON Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon’ireo mpikambana amin’ny fampiasana ny zezika kankana.
Fianakaviana : fiarovana, izay filàna fototra voalohany. Misy antony maro mahatonga ny fianakaviana ho toy ny fanagadrana, fihafiana, fijaliana ; isan'ireny ny tsy fisian'ny fifampiresahana. Ny fomba fiainana ao an-trano dia misy akony lehibe amin'ny fanabeazana sy amin'ny sain'ny ankizy na ny tanora. Mba tsy ho kisary ratsy manoloana ny zanaka dia aoka hosohana ny fifamaliana eo imason'izy ireny... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Fiaraha-miasa maromaro no nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, fa vita sonia tany Abu Dhabi, nandritra ny diany tany... • Manome fe-potoana hatramin'ny zoma izao ny Minisitera mpiahy, ireo mpianatra ho mpitsabo, hitondra vahaolana ho azy ireo amin'ny fipariahan'ny MPOX. Hiroso amin'ny fitokonana izy ireo aorian'izay, raha tsy misy io vahaolana io... • Nankasitraka ny nanesorana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA teo aloha, ny sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy ny rano malagasy. Milaza fa nahatsiaro ho afaka izy ireo, noho ny fampitahorana nandritra ny fitondran'ingahy Rhon Weiss...
♦ Aroson'ny Sehatraa Ifanakalozana ANatsarana ny fanaovana Politika hosoniavin'ny mpanao pôlitika ny fifanarahana natao nandritra ny dinika teny Ankorondrano ny volana desambra lasa teo. Hanomboka ny 21 janoary ny fanaovana sonia izany... ♦ Hotanterahana ny volana jolay ho avy izao ny fanadinana CEPE sy ny BEPC amin'ity taona ity. Efa nanomboka ny alatsinainy 12 janoary teo, ny fosoratana anarana ho an'ireo fanadinana ireo... ♦ Niabo ny tombana momba ny ezaka fanavaozana ny famokarana ho an'ny Faritr'i Vakinankaratra nataon'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanaovana ezaka avokoa ny Fambolena sy ny Fiompiana hoy ny Ministera...
Atao sary an'ohatra amin'ny trano ny fanavaozana ; ka moa ve afaka hisedra ireo olana maro samihafa ity fanavaozana kasaina? Zava-dehibe sy manandanja ny fahavanonana afahana miroso amin'ny fanavaozana marina, mifanaraka amin'ny hevitry ny maro, indrindra ny avy any ifotony. Ny fahavanona mitondra amin'ny fanavaozana dia ny fametrahana soso-kevitra amin'ny endriny samihafa sy ny famitàna ny adidy aman'andraikitra manandrify... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA intsony ilay israeliana Rhon Weis. Nasolon'ny fitondrana azy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana... ♦ 250 no isan'ny olona nahitàna soritr'aretina nendran-drajako (MPox) araky ny tarehimarika farany. Manentana ny malagasy hitandrin-tena ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama manoloana ity aretina mora mifindra haingana ity... ♦ Mila ampiharina eto Madagasikara ny tetezamita tena izy amin'ny alalan'ny fanapahana ny repoblika faha-efatra hoy ny HPM. Ifanarahana ny Praiministra hitantana izany tetezamita izany aorian'ny famaritana ny tondro-zotra...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco