• Azo atao tsara ny miroso amin'ny fifidianana amin'ny volana jolay 2027. Mbola miankina amin-javatra maro anefa izany, hoy ny KMF/Cnoe androany, manoloana ny nivoahan'ny datim-pifidianana... • Tsy maintsy hotsentsenana amin'ny fanafarana ny filana vary eto amintsika, ho fiomanana amin'ny maitso ahitra. Hisy fepetra anefa izany, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana... • Voafonja efatra no tafatsoaka teo am-panaovana “camp pénal”, tany Andaloasy Antsiranana. Nikomy sy nanafika tamin'ny fitaovana maranitra izy ireo, ka naharatra ny Lehiben'ny Camp pénal...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...