Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Tany amin'ny 238 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay rivodoza FYTIA tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan'i Tambohorano sy i Soalala izy anio alina, na rahampitso maraina... • Efa tafapetraka ireo mpikambana mandrafitra ny Filankevi-pitantanana eo anivon'ny CNaPS. Ny talata 3 febroary 2026 no hanomboka ny fahafahana manatitra antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho Tale Jeneraly vaovaon'ny CNaPS... • Tsy mankasitraka ny fitakian'ny antoko politika sasany, handrava ny andrim-panjakana misy ankehitirny ny antoko Fy-M. Mampidi-kizo an'i Madagasikara hiditra any amin'ny famaizana iraisam-pirenena indray izany, hoy ny filohany...

Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.

• Tany amin'ny 262 km avaratr'i Besalampy ny nisy ny foiben'ilay rivodoza Fytia, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo tamin'ny 11 ora antoandro teo... • Miisa 83 ireo mararin'ny MPOX sitrana rehefa nivoaka ny hopitaly, raha ny tatitra omaly... • Misitraka "forages" miisa roa ireo mpianatra eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Natolotra sy notokanana androany izany...

Ny sehatra fanehoan-kevitra dia fomba iray afahana mampandray anjara ny tanora, indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Ny 70% amin'ny mponina eto Madagasikara dia tanora ka azo lazaina ho singa lehibe afahana mampandroso firenena ny fanomezana sehatra azy ireo. Raha tsy omena sehatra ny tanora dia lasa mijanona ho mpitazana izy fa tsy ho mpandray anjara amin'ny fiainan'ny firenena, na ny momba ny tenany mivantana koa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Tany amin'ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay andro ratsy, alina tamin'ny 9 ora. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan'i Maintirano sy Mahajanga izy rahampitso ka mety hahatratra ny tanjaka rivodoza mahery... • Nanamafy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël, fa manaraka ny Lalam-panorenana ny fitondrana mijoro ankehitriny... • Nihatra nanomboka alina tany Nosy-Be Hell-Ville, ary haharitra 15 andro, ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina...

• Mitombo hery ka mety no lasa rivodoza anio alina na rahampitso maraina, ilay andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika. Faritra maro no nahazo filazana loza manambana sy loza fanairana avy amin'ny Météo... • Nisy andiana tanora nanao diabe nankeny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany. Nilanja sora-baventy izy ireo, mitaky ny handravana ny andrim-panjakana sy hirosoana amin'ny fanovana tena izy... • Tanora miisa 1.300 no hisitraka fampiofanana mandritra ny 15 volana, momba ny tontolo nomerika. Tafiditra amin'ny tetikasa ASAN'AI izy io, natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany...

♦ Mila ajoro eto amin'ny firenena ny vovonana fanovan-drafitra hamolavola ny andrimaso dina hitanjozorana hitondràna ny firenena hoy Andriamatoa Leno Razafiarison, mpikambana ao amin'ny CNC, fikaonan-doham-pirenen'ny krisitanina... ♦ Natolotra androany tetsy amin'ny Mining Business Center Ivato ny tatitry ny EITI taona 2023 Nivoitra tamin'izany fa manana anjara toerana goavana amin'ny toe-karena ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Tsy mbola tafapetraka hatramin'izao ny dinika eo amin'ny solontenan'ny mpiasa, ny mpampiasa ary ny Fanjakàna handinika ny momba ny fampiakarana ny karama ho an'ny tsy miankina hoy Rakotomanga Barson...

Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny angon-drakitra manokana. Andro iraisam-pirenena mifanindran-dalana anatin'ny hetsika fisoratana anarana biômetrika eto Madagasikara, miatomboka amin'izao fotoana izao... ♦ Hotanterahana ny 7 hatramin'ny faha-10 mey izao ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena (CCI) ety Ivato. Efa misokatra ny fisoratana anarana... ♦ Miisa 533 ny fitambaran'ny tranga rehetra mitondra ny aretina MPox eto Madagasikara tamin'ny talata. Miisa 201 ny tranga voamarina, miisa 332 ny tranga ahiana...

• Manome antoka ny olom-pirenena, amin'ny fiarovana ireo angon-drakitra manokana mirakitra ny mombamoba azy, anatin'ilay hetsika fisoratana anarana biometrika, ny fanjakana Malagasy. Nomarihana androany ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny angon-drakitra manokana... • Omena lanja manokana amin'ny Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara, na ny FIM, hotanterahana amin'ity taona ity ny fandraisana anjaran'ireo orinasa lehibe samihafa... • Tany amin'ny manodidina ny 306 km andrefana, somary avaratra andrefan'i Besalampy, no misy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika, tamin'ny 3 ora tolakandro teo...

♦ Isan'ny nihaona tamin'ireo iraka manokan'ny vondrona SADC omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Vola mitentina 629.000.000 Ariary no tsy voalohan'ny Fanjakàna tamin'ireo mpandraharaha nanao ny hetsika mifampitsinjo, hetsika nivarotana fitaovam-pianaran'ny mpianatra tamin'ny vidiny mirary... ♦ Hampanarahan-dalàna ireo agence de placement mandefa mpiasa any ivelany ho fiarovana ny mpiasa Malagasy hoy ny Ministry ny asa, ny fampananan'asa ary ny asam-panjakàna... ♦ Aoka, hoy ny Papa Léon-XIV, tsy ho adinoina ny zava-doza tamin'ny fandringanana nahazo ireo Jody tamin'ny ady lehibe faharoa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...