.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".

Heverina fa endrika mirana sy fo falifaly indray no hidiran’ny mpianatra, indrindra fa ny ankizy, ny varavaran-tsekoly miaraka amin’ny kitapo sy fitaovam-pianarana vaovao, ho an’ireo efa ampy ny enti-manana. Marina fa nisy ireny tsy  fandriampahalemana nahaverezana ankizy sy tanora teo alohaloha teo ireny. Tsy atao sakana anefa izany, fa hatrehina am-pitandremana sy am-pahamarinana. 

Fotoana  indray izao hisantarana ny fanovozam-pahalalana, hanefena sy handranitana ny saina toa zary harefesina nandritra iny fotoam-pialan-tsasatra lehibe iny. Dia hitohy indray mandritra ny 10 volana izany ny fivezivezena any an-tsekoly marain-tsy hariva, na hatsiaka, na hafanàna, na orana na hain’andro. Atao ahoana fa izay ilay fanabeazana ny taranaka ho Olom-pirenena rahampitso e ! Ny fianarana rahateo hono no lova tsara indrindra. Dia tena antintraterin’ny Arofanina eto fa aleo mba tena fanabeazana no hatao any an-tsekoly fa tsy fampianarana fotsiny ihany e. Tsy nataotao foana fa misy antony ny nanomezana ny anarana Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy Ministeran’ny fampianaram-pirenena. Ao raha, ka ny  tiana ho lazaina dia tsy fampianarana mamaky teny sy manoratra ihany na hoe iray ampiana iray mira roa fotsiny, fa ilay fanabeazana amin’ny maha-olona manontolo mihitsy. Tsy inona izany fa ny fampitana soatoavina, indrindra ny maha-malagasy. Ohatra ny fanajana fomba amam-panao, ny fahalalam-pomba hanefena ny mpianatra ho  olombanona sy Olom-pirenena tompon’ny ampitso. Tsy izay ihany fa eo koa ny fitaizana amin’ny vavaka ho an’ny sekolim-pinoana.

Hamafisin’ny  ny Arofanina etoana fa matoky ireo mpampianatra mpanabe ireo isika hanankinana ny fitaizana ny zanatsika. Nefa tsy ny an-tsekoly ihany no hiatrika taom-panabeazana vaovao, fa isika ray aman-dreny ihany koa manana andraikitra amin’izay fampianarana sy fanabeazana izay, manara-maso tsy tapaka ny fianarana ao an-tokantrano, na ny fianaran-desona izany na ny famitana enti-mody. Dia ampaherezina isika ray aman-dreny fa manomboka andraikitra vaovao ihany koa amin’izao taom-panabeazana vao miandoha izao. Indramintsika ilay teny filamatry ny fandaharana iray eto amin’ny RDB hoe : "taon-jezika an-kady ny fanabeazana".

Ny fampianarana sy fanabeazana no hany sehatra fototra hampandroso ny firenena, ka matoa mbola tahaka izao i Madagasikara dia satria potika, mba tsy hilazana fa nopotehina, ny fanabeazana ny taranaka malagasy. Andraikitsika rehetra izao ny manarina azy, fotoam-panavaozana rahateo izao, ka alao hery ry mpanabe mpampianatra, ry Ray aman-dreny, mahareta kely fa hisy zavatra io rahampitso. Manana andraikitra lehibe amin’ny fanarenana ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara ihany koa ny mpitondra sy ny Ministera mpiahy. Aoka tsy ho ambana ny resa-pitokonan’ny Sendikà sasany efa mihaodihaody ambadimbadika any, ka hanao takalon’aina ny fanabeazana. Tsara dieny izao ny mifampiresaka hamahana olana. Hindrahindrain’ny Arofanina foana ny fanabeazana, mba tsy hisian’ny vahoaka bado sy mpitondra dondrona, sanatriavin’ny vava ladian’ny lela. Raha tsy  izao manko isika no manarina miaraka ny fanabeazana hitsinjovana ny ho avy, dia ho fara-gidany eto foana ilay Madagasikara, nefa ambara ombieny ombieny fa manan-kasin-tsara!. 

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...