Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.

Manomana fandaharan’asa hampiakarana ny vokatra kafe eto Madagasikara ankehitriny ny minisitera. Tetik’asa iarahana miasa amin’ny mpiara-miombona antoka ny African Coffee Hub na ny ACH izay tambajotram-paritra misahana ny fanatsarana ny kalitao sy ny rojom-pihariana kafe eto Afrika, ary afaka manampy tsara an’i Madagasikara amin’ny fitadiavana famatsiam-bola sy ny tsena.

Hovatsian’ny Banky Arabo momba ny fampandrosoana ny toekarena aty Afrika vola na ny BADEA ity fandaharan’asa ity. Mba ahafahana manatratra ny isan’ny zanaka kafe hovolena nefa dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana toa ny FOFIFA sy ny mpamokatra masomboly sy zanakazo eto an-toerana.

Nitsidika ny Vondrona Robens, orinasa mpamokatra sy mampitombo ny zavamaniry amin’ny fomba haingana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknika in Vitro ao amin’ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 11 aogositra 2026 ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan sy ny mpiara-miasa aminy. Fitsidihana nahafahana nifanakalo hevitra momba ny sehatra azo iaraha-miasa amin’ity fandaharan’asa vaovao ity.

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...