• Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hosoloina sy hatsaraina mba hiakatra ny tanjany, ho an'ny famatsiana jiro ato amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hofidina ho filoha vaovao hitantana ny ASIEF. Hotanterahina rahampitso alakamisy 20 aogositra 2026, ny fifidianana... • Misy ny lamina napetraka tsy maintsy arahina amin'ny fampiasana ny reniranon'i Belo Tsiribihina, hisorohana ny loza mety hitranga, mandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fitampo 2026, hoy ny avy amin'ny APMF...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...