• Hanasa ny Préfet an'Antananarivo ny RMDM amin'ny fivoriana hataony, manomboka izao. Tsy hangataka alalana kosa anefa satria voalazan'ny lalana mifehy ny antoko politika ny fivoriana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao. Eo anelanelan'ny 800 Ariary ka hatramin'ny 1.200 Ariary ny iray kapoaka, arakaraka ny karazany avy... • Nihatsara ny fahatongavan'ny “Caisse école” eny anivon'ireo sekoly tokony hisitraka izany. Maherin'ny 66 miliara Ariary ny teti-bola natokana ho amin'izany amin'ity taom-pianarana ity, raha ny tatitry ny tetikasa Score...

  • Misedra olana ireo mpampiasa ny lalana RN-6, efa mandray andraikitra ny Governoran'ny Faritra Sôfia...
  • Mbola tena manjavozavo tanteraka ny mety ho fahampian'ny teti-bola eo am-pelan-tanan'ny fitondram-panjakàna manoloana ny zava-misy sy ny fepetra noraisiny hoy i Gérard Andriamilerovason...
  • Very hasina ny fanabeazana amin'ny mahaolona ankehitriny ary antony iray tsy mampandroso ny firenena izany hoy ny mpanabe Faly Rafieferana...
  • Miisa 150isa ireo babo an'ady nifanankalozan'i Ukraine sy Russie androany. Tsy nofaritana mazava ny toerana nanatanterahana izany ho fiarovana ny ain'izy ireo...

Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Tsy ho isan'ireo ben'ny tanàna vaovao handray ny fitantanana ny kaominina i Djavojozara Jean Luc Desiré na dia nandresy tamin'ny fifidianana aza ; efa voatendry sy vita ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS vaovao ao Antsiranana-I...
  • Mbola tsy tena zatra loatr an'ilay fiovaovan'ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana no hisian'ny fanitsiana arakaraky ny zava-misy hoyny Ministry ny Angovo...
  • Misy hatrany ireo tambajotra manohy ny fitrandrahana ireo harem-pirenena arovana ho lany tamingana eto MAdagasikara...
  • Nanapa-kevitra ny hisitaka eo anivon'ny OMS ihany koa ny Filoha Argentin, Javier Milei...

Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Tokony efa hiomana ny vahoaka Malagasy, fa isaky ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana itsahina no hanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... • Jahiby 15 gony nentin'ny fiarakodia iray no saron'ny Zandary nanao sakana omaly, tany Vinaninkarena Atsirabe... • Mpikambana miisa 32 mianadahy tao amin'ny VOI, Vondron'olona Ifotony MANOVOSOA, tany Antanditra Moramanga, no notorina tsy ara-drariny any amin'ny Fitsarana...

Tena mampiteny ny moana ny zavamisy eto Madagasikara ankehitriny, satria tena efa miantraika lalina any amin’ny aty vilanin’ny Malagasy mihitsy ny fiakaran’ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro, raha tsy hiteny afa-tsy ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy isika. Efa tafakatra 4.000 Ariary izao ny kilaon’ny vary, izany hoe manodidina ny 200.000 Ariary ny iray gony. Tsy ny vary ihany no nahitana fisondrotam-bidy, fa saika ny entana ilain’ny mponina andavan’andro rehetra mihitsy, ny voamaina: toy ny tsaramaso ohatra dia efa tafakatra 2.000 Ariary ny kapoaka, raha 1.400 Ariary izany, telo volana lasa izay. Eo koa ny hen’omby izay efa 24.000 Ariary ny kilao, sy ny maro tsy voatanisa… Fanina tanteraka ny ankamaroan’ny fianakaviana, fa misy zara raha mihinan-kanina, eny e! koa ny hohanina mihitsy ary no mahafanina vao mahita azy koa.

Arofanina! Matoan-dahatsoratry ny Radio Don Bosco, vokarin’ny Sampana fampahalalam-baovao. Arofanina! Hitondrana ny fomba fijerin’ny Radio Don Bosco ny toe-javatra iray misy amin’ny fiaraha-monina, na amin’ny sehatra maro samihafa (sosialy, toekarena, politika, trangam-piarahamonina, kolotsaina, sns...). Mazana mantsy toa hadino na iniana takonana mihitsy izy ireny, kanefa tena ilaina ny hampahafantarana sy hampahatsiahivana azy ireny ho fantatry ny sarambabem-bahoaka. Arofanina ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia. Arofanina tsy handehanan’ny firenena amin’ny fivoizana ny vaovao tsy marina izay mamotika ilay toe-tsaina maha-malagasy manaja ny marina sy ny rariny.

  • Tsy maintsy miroso amin'ny fikitihana sy ny fanovàna ny lalam-panorenana hoy ny tale kabinetry ny filohan'ny CENI ny fangatahana fandravàna ny CENI. Tsy misy andraikitry ny CENI hoy izy ny fikarakarana ny fifidianana nataon'ny mpanolontsaina tao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra...
  • Niova sahady ny vidin-tsolika eny amin'ny toby mpaninjara. Nidina 5.500 Ariary ny litatry ny lasantsy. Niakatra ho 4.890 Ariary ny gazoala. Fiovan'ny vidin-tsolika fandroany tamin'ity taona ity...
  • Omena sehatra lehibe ao amin'ny Faritra Anôsy : ireo tompon'andraikitra eny ifotony miandraikitra ny faritra arovana...
  • Vonona hiroso amin'ny fifampidinihana amin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine ho fampitsaharana ny ady any Ukraine ny filoha Okrenianina Volodymyr Zelensky...

  • Mbola hitohy amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy ny rotsak'orana. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Nahitana izany omaly ny tany amin'ny Faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro...
  • Mitady hiverina indray ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany nohadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly...
  • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohitohina ny asa fanamboarana ny lalana Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka omaly...
  • Nihaona tao Etazonia omaly ny filoha amerikana sy ny praiministra israelianina. Nambaran'i Donald Trump fa hiroso amin'ny fanaraha-maso maharitra ny faritr'i Gaza i Etazonia...

Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana  teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...