Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nifanarahan'ireo mpikamban'ny governemanta ny asa manakaiky ny vahoaka ary hirotsaka an-tsehatra hijery ireo asa eny ifotony ilain'ny vahoaka izy ireo hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tetik'asa laharam-pahamehana ho an'ny Fanjakàna amin'ny famatsiana herinaratra ny SAHOFIKA, nisy omaly ny fihaonan'ny Filoham-panjakàna ny Kôlônely Michaël Randrianirina niaraka tamin'ireo mpamatsy vola hanohizana ny tetik'asa... ♦ Hotanerahina anio eny amin'ny Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika, Faritra Itasy ny fanokafana ôfisialy ny taom-pambolen-kazo 2025-2026...
Ny sakafo masina amin'ny Eokaristia no mamelona ny olona, sakafo tokana manome ny ain'Andriamanitra ho antsika dia tsy inona fa ilay "Teny Tonga Nofo". Ireo fizaràna roa ao amin'ny Litorjian'ny Eokaristia dia ny Eokaristia Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia Sorona amin'ny alalan'ny Mofo sy ny Divay dia mifameno. Ny teny dia tanteraka ao amin'ny tolotra ary ny atolotra dia hazavain'ny Teny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Fanovàn-drafitra fa tsy fandaminana raharaha pôlitika fotsiny no andrasana amin'ny fikaonan-doham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul. Nambarany fa tsy matotra ny fikarakaràna ny fikaonan-doha, raha ny hita hatramin'izao... ♦ Horaisin'ny Fanjakàna an-tanana ny fanonerana ny vola lanin'ireo fianakaviana nitsaboana ireo tratry ny fanapoizinana tamin'ny raharaha Ambohimalaza. Noraisin'ny filoham-panjakàna teny Iavoloha ireo fianakaviana ireo, omaly... ♦ Tombànana ho mbola betsaka ny rotsak'orana amin'ny faritra sasany hatramin'ny rahampitso. Misy ny filazàna fampitandremana navoaky ny Sampana Météo, indrindra ny ilany atsinanan'ny nosy...
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina vao nisy ity lahabolana ity, fanao amin'ny mpanjaka. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika...
♦ Ny resaka fiarovana azy no antony tsy nampahafantarana ny dia tany Dubai ny herinandro teo, hoy ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika. Nanazava izany tamin'ny mpanao gazety teny Iavoloha izy, omaly... ♦ Misy mampiditra fitaovam-piadiana vaika eto Madagasikara, hoy ny vondron-kery fiarovana sy ny filaminana (FDS) omaly. Anarana notononin'izy ireo ho tompon'antoka amin'izany Andriamatoa Mamy Ravatomanga... ♦ Tsy tokony hiandry ny fikaonandoham-pirenena ny fanovan-drafitra hanorenana ifotony ny firenena. Izay no anisan'ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandohan'ny antoko politika teny Ankorondrano...
"Manaova izao ho fahatsiarovana ahy" hoy i Jesoa namintina ny Fanasana nanokanany ny Eokaristia ho Sakramenta noforoniny tamin'ny Alakamisy-Masina. Namerina io teny io Jesoa ho fahatsiarovana ny Paka tamin'ny nanorina io Eokaristia io dia tsy midika hoe manokana ho an'ireo mpianany izany fa fanomezana ho azy ireo avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia no manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Napetraky ny governemanta ho laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toe-karena, antoky ny filaminana sôsialy hoy ny Praiministra raha nanokatra ny fihaonan'ny governemanta sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny maraina teo... ♦ Nihaona tamin'ireo mpandraharaha avy amin'ny sehatra tsy miankina ny faran'ny herinandro teo ny Ministry ny Asa, ny Asa-panjakàna ary ny Fampananan'asa... ♦ Iray amin'ireo firenena 10 misitraka ny fandaharan'asa REPAIR i Madagasikara noho isika firenena tena marefo amin'ny fiatrehana ny loza voajanahary... ♦ Nihoatra ny 1.000 ireo olona namoy ny ainy vokatr'ilay tondra-drano tany Indonésie...
--- Fako misavovona etsy sy eroa. Loto manerana ny tanàna. Toa lasa tandra vadin-koditra ho an’ny renivohitr’i Madagasikara rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao ny fivangongoan’ny fako sy ny fiparitahan’ny loto manerana ny tanàna. Miha mafy ary mampiteny ny moana ny loto sy ny fofona ratsy. Miteraka fimenomenomana hoan’ny olom-pirenena izany, saingy toa efa homamiadana mikiky ny taolan’andavan’androm-piainan’ny mponina, ka toa
tsy ahitam-bahaolana mihitsy, na koa sanatria misy mahazo tombotsoa amin’izany ka atao mihitsy izay tsy hahavaha ny olana ?...
♦ Tontosa omaly, alahady faha-14 desambra ny fandraisana sy ny fametrahana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ho Arsevekan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Tonga eny anivon'ny antenimieram-pirenena ny fitoriana mahakasika ny filoha teo aloha Rajoelina Andry nataon'ny fikambanana Gen Z, hatao anaty mangarahara ny tohin'ny fitoriana ity hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Niharan'ny fisavàna fanindroany ny faran'ny herinandro teo ny trano fonenan'Andriamatoa Maminiaina Ravatomanga tao Mantasoa, fisavana izay nataona andiana mpitandro ny filaminana raha ny loharanom-baovao...
Raha miresaka ny Eokaristia isika dia tsy afa-misaraka aminy ny Paka. Ny niandohan'ny Paka satria ny fankalazàna ny Eokaristia dia fahatsiarovana ny Paka. Andriamanitra mihitsy no nanome baiko ny hitandremana ary hanaovana matetika ny asa mahagaga nasehony ho fanehoana ny Paka mba ho fahatsiarovana izany fotoana lehibe izany. Paka fanomezana lehibe avy amin'Andriamanitra hamonjena antsika olombelona ... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Nampisahanana andraikitra ambony eo anivon'ny fiadidian'ny fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Rabevahiny Elia. Voatendry ho mpanolotsaina teknika maharitry ny Kôlônely Randrianirina Michaël, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika izy... ♦ Hiroso amin'ny fanaovana Audit ny lisi-pifidianana ny CENI. Tsy maintsy ampahafantarina ny vahoaka Malagasy ny voakatr'izany hoy ny filoha Rakotonarivo Thierry... ♦ Miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fitrandrahana ny harena ambanin'ny tany. Manana betsaka izany ny disitrika 119 eto Madagasikara hoy Dr Souleymane Ibrahim Andriamandimby, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversiten'Antananarivo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco