♦ Efa manomana ny fifidianana ho avy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Noamafisiny fa isan'ny paik'ady ny fananganana vondrona parlematera vaovao... ♦ Hitombo ny rano vokarin'ny Orinasa JIRAMA eny Mandroseza. Misy ny asa fanarenana ka tombanana hiakatra hatrany amin'ny atsasany ny rano vokarina afaka 2 volana... ♦ Misy ny fikasàna hanangana ny holafitry ny mpiasa sôsialy. Mikarakara izany ny ISTS eny Mandrimena Iavoloha sy ny sampana manofana ho mpiasa Sôsialy eny amin'ny oniversite... ♦ Nitatitra ny zava-bita nandritry ny 12 volana farany ny filoha Rosianina...

Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...

♦ Nahavita be tamin'ny famolavolàna mpisehatra amin'ny asa sôsialy ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sôsialy (ISTS) eny Mandrimena Iavoloha. Ivon-toerana mankalaza ny faha-65 taona nijoroany... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo omaly, ny filohan'ny fanavoazana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny delegasiôna niara-dia taminy. Tsy ho vita ao anatin'ny fotoana fohy hoy ny Koôlônely Randrianirina Michaël ny fanarenana ny firenena potika an-taonany maro... ♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Nanjaka ny demôkrasia teny Tsimbazaza, nalalaka ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka... 

Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mpisorona i Jesoa satria nanolo-tena amin'ny Ray ary nanolotra ny ainy ho sorona teo amin'ny hazofijaliana ho antsika olombelona. Ny teny "sorona" dia manana heviny maro fa eto amin'ity katesizy hifampizarana ity dia i Jesoa nanolotra ny tenany ho sorona ho antsika olombelona no heviny, ary miantso antsika hanolo-tena toa Azy koa ho porofon'ny fitiavana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Volavolan-dalana miisa valo, niampy tolo-dalana iray no nolaniana teny amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny fivoriana ara-potoana faharoa nifarana androany. Tafatsangana ihany koa ny vaomiera mpanadihady miisa fito... • Ny vahoaka Malagasy ihany no tompon-kevitra amin'ny tokony hamerenana an-tanindrazana, na tsia, ny mpialokaloka politika Malagasy any ivelany, fa tsy ny Vondrona SADEC, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Mankalaza ny faha-65 taona nijoroany ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sosialy, na ny ISTS, eny Mandrimena Iavoloha. Nomarihana androany tamin'ny alalan'ny Sorona Masina izany...

Fankalazàna sady fahatsiarovana ny lasa, vavaka mamelona fanantenana ankaotra ny maha vavaka fisaorana azy no avoitry ny vavaka Eokaristika ataon'ny Kristiana satria i Jesoa no nametraka io sakafo io tamin'ny fanasana nataony ny "Alakamisy Masina" ho ao anatin'ny rafitra litorjika. Ny hazofijaliana dia fanomanana antsika hiatrika ny sakafo homanin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Nandiso ny fivoizana ny fikasana fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Praiminisitra, ireo Solombavam-bahoaka nanontanina teny Tsimbazaza androany... • Hahena 50% ny fampiasana kitay arina fandrehitra amin'ny fahandroan-tsakafo eto Madagasikara amin'ny taona 2030. Nankatoavina androany teny Anosy ny politikam-pirenena momba ny angovo madio... • Mitaky “cité” hipetrahana sy vatsim-pianarana mbola tsy voaloa, ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha. nidina an-dalambe sy nibahana fifamoivoizana izy ireo androany, nanehoan'izy ireo izay fitakiana izay...

Nanofana tanora maro misehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra nandritra ny taona maro ny Réseau SOA sy ny mpiara-mimbona antoka aminy. Maro amin’ireo tanora voaofana sy napetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo no efa manana asa mitombona tsara amin’ny alalan’ny tetik’asa nataony.

Rehefa hamarana ny diany teto an-tany i Jesoa Kristy dia nanao fanasana fiaraha-misakafo tamin'ny mpianany sady fanamarihana ny fankalazàna ary fizaràna hafaliana amin'ny Paka io fotoana io ; izany no niandohan'io Eokaristia io, tandindonn'ilay sakafo farany niarahan'i Jesoa tamin'ny mpianany. Tsy afaka misaraka mihitsy ny sakafo farany "Eokaristia" sy ny hazofijaliana ary ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Sakramenta ny Eokaristia. Io Eokaristia io no manambara an'i Kristy sy ny fiffanekeny nataony ho antsika olombelona ankehitriny. Ny Eokaristia no faratampon'ny fiainana ny sakramenta rehetra satria izy no mampiombona ny Kristiana rehetra amin'ny tolotr'i Kristy, "amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy" dia tonga mitoetra ao Aminy isika, mba hanajantsika ny Ray miaraka amin'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Natolotry ny PNUD, fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana, ho an'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, ny tatitra ahafahana mandrefy ny fahavononan'i Madagasikara hanatanteraka ny fivadihana amin'ny sehatra nomerika... • Mitaky ny hananganana ny tena tetezamita, ny TAFITA Tambabe ho an'ny fanorenana ifotony ny tanindrazana. Tokony horavana avokoa ny rafitra rehetra, hoy izy ireo... • Nosokafana ofisialy androany, ny taom-pambolen-kazo 2025-2026, teny amin'ny Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika. Vinavinaina hahatratra 7 alina hekitara ireo toerana ho voavoly ala, amin'izao taom-pambolena izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...