Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 65, 17-21)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Indro Aho hahary lanitra vaovao sy tany vaovao,
ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Aoka hifaly kosa ianareo sy hanan-kafaliana mandrakizay
noho izay efa hoarìko;
fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,
sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,
sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.
Ka tsy misy ho re ao intsony
na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka
ho fohy andro iainana,
na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;
fa mbola maty tanora ihany
ny maty amin’ny fahazato taonany,
ary efa zato taona ny mpanota
vao ho tratry ny ozona.
Hanao trano izy, dia izy no honina ao;
hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b)
Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
Tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô,
nakarinao avy any an-tSeoly; novelominao aho
izay efa nitsitra tany an-davaka.
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka!
Isaory ny Anarany masina.
Mihelina foana ny havinirany,
maharitra kosa ny fanambinany.
Izaho: hariva mialin-tomany; maraina, velon-kalo!
Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho!
Tompo ô, tahio aho!
Dia navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao!
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 43-54)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea.
Fa araka ny efa voalazany
dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny.
Ary nony tonga tany Galilea Izy,
dia noraisin’ny Galileanina,
satria efa hitany izay rehetra nataony
tany Jerosalema tamin’ny andro fety,
fa tany koa izy ireo tamin’ny fety.
Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy,
tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay.
Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray
nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma,
ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa,
dia nanatona Azy izy
ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo,
dia tsy mba mety mino!”
Ka hoy ilay manamboninahitra taminy:
“Andeha re, Tompoko,
dieny mbola tsy maty ny zanako!”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Modia, fa velona ny zanakao.”
Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy
ka lasa nody.
Nony nandeha izy,
dia notsenain’ny ankiziny
ka nilazany fa velona ny zanany.
Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany,
ka hoy ireo taminy:
“Omaly tamin’ny ora fahafito
no nialan’ny tazo taminy.”
Dia fantatry ny rainy,
fa tamin’izany ora izany indrindra
no nilazan’i Jesoa taminy hoe:
“Velona ny zanakao”,
ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra.
Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa,
rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 5, 9a. 10-12)
Tamin’izany andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe:
“Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”.
Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany.
Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely,
dia nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana,
rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.
Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango,
tamin’ny vokatry ny tany.
Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy,
dia nitsahatra ny mana;
ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely,
ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 4-5. 6-7
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana
ny tavanareo tsy hangaihay,
ity ory, velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kor. 5, 17-21)
Ry kristianina havana: na iza na iza ao amin’i Kristy,
dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha;
fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra,
izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray,
tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa,
ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe:
“Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!”
Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika,
mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
Tamin’izany andro izany dia nanatona an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”.
Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe:
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy:
“Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”.
Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany.
Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra
ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy.
Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra,
dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy.
Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany,
ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha.
Naniry hivoky tamin’ny hodiboan-javatra nohanin’ny kisoa izy,
fa tsy nisy nanome azy.
Izay vao nody ny sainy ka hoy izy:
“Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be,
nefa izaho kosa ity maty noana aty!
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe:
Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony;
fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho”.
Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy.
Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy,
ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Dia hoy ity zanany taminy:
“Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony”.
Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony:
“Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy;
asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy;
dia aoka hihinana sy hifaly isika,
fa ity zanako ity dia maty ka velona indray,
ary very ka hita indray”.
Dia nifaly izy rehetra.
Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay.
Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy,
ka niantso ankizy lahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany.
Dia hoy ilay mpanompo taminy:
“Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao,
satria tafaverina soa aman-tsara izy”.
Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra,
ary nivoaka rainy hampandroso azy.
Fa hoy ny navaliny an-drainy:
“Indro efa ela no nanompoako anao,
ary tsy mbola nandika ny didinao iray akory aho,
nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako;
fa nony tonga kosa io zanakao io,
izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga,
dia namonoanao zanak’omby matavy izy”.
Fa hoy irainy taminy:
“Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva,
ka anao avokoa izay rehetra ananako;
fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana,
satria io rahalahinao io,
dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Tsy hanao be lazao na hanao laza masaka ny Arofanina anio, fa hanompana ny matoan-dahatsorany amin’ny trangam-piarahamonina izay tena mampikaikaika ny maro. Misy ve ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara? Samy manana ny hamaritany izany ny tsirairay na dia iaraha-mahalala sy tsy mila omena aza ny valiny.
• Tsy hisy fiantraikany mivantana amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony ilay rivodoza Jude. Olona iray no maty ary iray hafa naratra, vokatry ny fandalovan'ity rivodoza ity, ny faran'ny herinandro teo... • Manan-jo tanteraka handray fepetra ny mpitondra fanjakana manolona ny aretina vokatry ny fahasimban'ny sakafo tany Mahajanga, nandritra ny andron'ny 8 marsa teo, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy... • Mangataka ny hanaovana ny skotisma ho fikambanana ara-panjakana ny Firaisamben'ny Skotisma Malagasy...
• Tao amin'ny Kaominina Ankilibao, Distrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Nihena ny heriny ka 90 km/ora ny rivotra miaraka aminy. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva i Jude... • Fandoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny oniversite : Tsy hisy fahatarana intsony ary tsy hisy fiantraikany amin'ny vola horaisin'ny mpianatra ny fampiasana ilay rindram-baiko EDUTIC, hoy ny Minisitra Chaminah Loulla... • Fifandraisan'i Madagasikara amin'i Comores : Naverin'i Comores amintsika ireo bolongam-bolamena 28, tra-tehaka tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Prince Saïd Ibrahim, ny volana desambara 2021...
• Niditra an-tanety tany amin'ny 70 km avarata atsinanan'i Itampolo ny ivon'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 1 ora maraina teo. Hamakivaky ny tapany atsimo izy ary hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva... • Marihina anio 15 marsa ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Zon'ny mpanjifa. Any Antsirabe ny ivon'ny fankalazana, ho antsika eto Madagasikara, izay karakarain'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Fivoriamben'ny COI : Efa vonona ireo pitsopitsony handraisan'i Madagasikara ny adiany faha-5, ny 23 sy 24 avrily 2025...
• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...
• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...
22 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
21 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)
20 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy— Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)
19 marsa 2025 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika— Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco