Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...
♦ Nanomboka omaly mandritry ny telo andro ny dinika fikaonan-doha tanterahan'ny mpanao pôlitika eny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano. Resy lahatra ny ankamaroan'ny mpanao pôlitika fa mila ovaina ny tontolon'ny pôlitika eto Madagasikara... ♦ Napetraka teny Amoronakona-Ambohimangakely omaly ny vato fototra ananganana toby famokaran-drano vaovao hazoana 50.000 m3 isan'andro. Mpanjifa 800.000 no hisitraka tombontsoa amin'ny fahavitan'ny asa... ♦ Nitsidika ny Distrikan'i Manakara sy Vohipeno ny 11 sy 12 desambra teo ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Kôlônely Randrianirina Michaël sy Ramatoa Vadiny...
Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin'ny Eglizy manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin'ireo zava-kanto hafa, indrindra fa amin'ny maha-hira masina azy miaraka amin'ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina tsy azo esorina amin'ny Litorjia manetriketrika. Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara toeran'ny asa maha-famantarana azy... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Tsy azontsika Kristiana hodian-tsy hita ny loharano sy ny dingana aman'ezaka efa nirosoan'ny Eglizy ka izany no antony hamohafohazana ny fo amam-panahintsika sy ny finoantsika amin'ny alalan'ny katesizy mba tsy hanadinoana ny lasa fa misy ny zavatra tsy azontsika avela fa efa voafaritra ao amin'ny fampianarana na dia eo aza ny zava-misy iainantsika. Ny Eokaristia dia fiombonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Miantoka ny fahatsarana sy fitomboan'ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina. Fampiasàna ny masomboly novokarina manokana sy voafantina ary voamarina no tena azo antoka amin'ny fahazoana vokatra tsara sy betsaka. Tena ilaina ny miverina amin'ny masomboly voafantina sy mampiasa ireo masomboly novokarina manokana raha tiana ny hitazona sy hampiakatra ny fahombiazana amin'ny famokarana atao...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, ny fahasarotana indrindra anefa no tokony vao maika hanosika amin'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana. Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin'ny fitiavana amin'ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana dia fiangonana kely mariky ny fanantenana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fiafaran'ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin'ny asa Litorjika manontolo dia ny mampiray antsika amin'i Kristry mba handrafitra ny Vatany. Ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny Litorjia dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ilaina ny vaomieran'ny Litorjia mba hampandroso ny finoana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Mbola mitana ny sain'ny maro ny resaka Fikaonan-doham-pirenena izay vao nosokafana tamin'ny fomba ofisialy... • Nanao fihetsiketsehana tetsy Mandrosoa androany, ireo mpiasan'ny Vondron'orinasa SODIAT, izay an'i Mamy Ravatomanga. Mitaky ny hamoahan'ny fanjakana ny volan'ny orinasa izy ireo, handoavana karama... • Hitarina ireo hahazo tombon-tsoa amin'ny tetik'asa Mionjo, ampiharina any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Nisy androany, ny atrik'asa hanatsarana ity tetik'asa ity ho an'ny taona 2026...
♦ Nangataka ny hevitry ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) manoloana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Loholona ny 19 janoary 2026 ny filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nandefa taratasy any amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mangataka ny hanokafana fanadihadiana parlemantera momba ny orinasa JIRAMA ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo... ♦ Nanao sakan-dalana, nandoro kodiarana sy nilanja sora-baventy tetsy Mandrosoa-Ivato ny marina teo ireo mpiasan'ny vondron'ny orinasa SODIAT izay nalefa fiatoana ara-teknika... ♦ Nanao fitsidihana tany Mozambique ny kardinaly Pietro Parolin...
♦ Tsy dinika mitovy tamin'ireo efa nisy teo aloha ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanavaozana an'i Madagasikara amin'izao hoy ny Minisim-panjakàna misahana ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Mety ho fandrika ho an'ny filohan'ny fanavaozana Kôlônely Michaël Randrianirina ny ao ambadiky ny fikaonan-doham-pirenena izay tsy mangarahara ny fanatanterahana azy hoy ny "collectif du mouvement"... ♦ Hosokafana amin'ny 20 desambra izao ny fanamarihana ny faha-125 taona nidiran'ny taranja baolina lavalava teto Madagasikara... ♦ Manameloka ny fampihorohoroana ataon'ny fanjakàna tarihn'ny filoha Nicolas Maduro ny lehiben'ny mpanohitra Maria Corina M...
Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Eglizy dia ny Fanahy Masina no "mampitao sy mitari-dalana azy amin'ny alalan'ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana". Koa ny Eglizy, voavatsy amin'ny fanomezan'ny mpanorina azy sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pitiavana amin'ny fanetren-tena... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco