♦ Mbola te hametraka foana ny fahefany eto Madagasikara i Lafrantsa hatramin'izao. Resaka tombontsoa no mbola mahatonga ny Frantsay misisika amin'ny raharahan'i Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika iray... ♦ Natao fizahàm-pahasalamana ara-tsaina Andriamatoa Mamy Ravatomanga androany maraina, mialohan'ny hampidirana am-ponja azy indray... ♦ Mpiasa iray eo anivon'ny JIRAMA no tratra nanodinkodina ny volan'ny orinasa, taorian'ny fitsirihana natao. Voasazy hiasa an-tery vozona mandritra ny 5 taona, miampy fandoavana lamandy 40 tapitrisa ariary io mpiasa io... * Miha mahery vaika hatrany ny ady an-trano any Soudan, ankehitriny...
Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...
♦ Hampidirina am-ponja indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga amin'ilay raharaha hanenjehin'ny fitsaràna azy atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nivoaka omaly tolak'andro ny didim-pitsarana manapaka izany... ♦ Hidina ny saran'ny Internet eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny fifandraisan-davitra omaly. Nisy ny fifanarahana hita tamin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra... ♦ Miakatra ny taha-pisian'ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Olona maherin'ny 50.000 no mitondra tsimok'aretina nefa tsy voatily, ary mamindra amin'ny hafa...
Ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy dia miankina amin'ny Eveka satria izy no mpisorombe. Asan'i Kristy manontolo ny Litorjia ary mandray anjara sy manaraka izany ny rantsana rehetra araka ny laharany avy, noho izany dia tsy azo ampiana araka izay itiavana azy ny Litorjia fa izay efa niainan'i Kristy azy no ezahin'ny Eglizy atao sy hampitaina amin'ny mpino... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Andrasana amin'ity herinandro ity ny hampidinan'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fifandraisan-davitra ny saran'ny Internet... • Maherin'ny 5 alina ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, nefa tsy voatily, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Magnana Mounir androany... • Tsy manana olana eo amin'ny asa ny 80 %-n'ireo mpiofana nivoaka avy ao amin'ny sekolim-pirenena ENEAM...
♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...
Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...
♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy revôlisiôna fa fiverenana amin'i Kristy izay miasa amin'ny mistery, amin'ny vahoakan'Andriamanitra izay mandray anjara, amin'ny kolontsaina sy fiteny izay manampy amin'ny fanehoana ny finoana. Izay rehetra tanteraka taorian'ny Kônsily - toy ny lamesa amin'ny fiteny eo an-toerana, vahoaka mihira sy mamaky, fanovana ny teiandro litorjika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Mitarazoka ny fiasan'ny fitondràna amin'ny fikarakaràna ny fikaonandoham-pirenena. Taraiky loatra raha afaka enim-bolana izao vao hotanterahina izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Hotohizana ny fanadihadiana momba ny raharaha Ambohimalaza. Tsy hijanona fotsiny amin'ireo olona 4 voatazona am-ponja ny raharaha fa hotsaraina ireo "Paoa sôsy" hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly... ♦ Misy valan'aretina mifindra haingana be any amin'ny Disitrikan'i Vohipeno amin'izao. Sokajian'ny mpitsabo ho nendram-boalavo izy io, na ambaran'ny any an-toerana hoe "masakalina"... ♦ Maherin'ny 200 ireo olona namoy ny ainy noho ny tondra-drano any Indonésie...
Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Nampidirina am-ponja, tsara ambina atsy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Ny alatsinainy izao no andrasana hivoaka ny didim-pitsaràna, momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehin'ny Fanjakàna Maorisiana azy... ♦ Nahatratra 2000 mahery ireo antontan-taratasy voarain'ny Ministeran'ny Atitany ho an'ireo hotendrena ho lehiben'ny Faritra 24. Nifarana omaly ny fe-potoana fandraisana izany... ♦ Mbola ho sarotra ny hanapaka ny fifanarahana amin'ireo orinasa vahiny mpamatsy herinaratra ny Jirama, araka ny nambara teny Tsimbazaza hoy ny Sendikàn'ny Angovo sy ny Rano Malagasy (SMARM)...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco