Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Hiakatra avokoa manomboka amin'ity volana novambra ity, ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana eo anivon'ny CNaPS. Hisondrotra 42 % ohatra, ny volan'ny bevohoka... • An-taratasy fotsiny no betsaka amin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara, hoy ny PFSCE. Nomarihana androany teny Alarobia ny Andro eran-tany ho an'ny zon'ny ankizy... • Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho “Agent de Police”. Ny fampitovian-jo ireo mpifaninana rehetra no anton'izany, hoy ny Minsiteran'ny Filaminam-bahoka...

♦ Tsy nahagaga ny fanapahan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fampitoviana ny zo sy ny tombontsoa ho an'ireo mpanolontsaina avo eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara hoy ny Mpanohitra... ♦ Tsy prefen'ny pôlisy Antananarivo-renivohitra intsony ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Andriamatoa Abraham Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, indray no voantendry hisahana izany andraikitra izany... ♦ Hampiantrano indray ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny taranja Basket lalaovin'olona telo i Madagasikara ny 5 hatramin'ny 7 desambra ho avy izao ; namphafantarina omaly ny sary famantarana ny fifaninanana...

Ny fahaiza-mihaino dia manamafy ny fifandraisana, izay fototry ny fifampitokisana. Ny fifampitokisana dia ilaina eo amin'ny olon-droa mifankatia na ankohonana, fiaraha-miasa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fisokafana eo amin'ny mpitondra sy vahoaka, miteraka fanantenana lehibe izany ; voaporofo ny fananana fahafahana raha tsy hilaza afatsy ny fahafahana mivory sy miteny. Tena ilaina ny toe-tsaina tena tompon'andraikitra ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, ilaina ihany koa ny tsikera ombana soso-kevitra miabo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Efa miasa manomana ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara. Hamoaka drafitra hitondrana izany ny FFKM hoy ny Kôlônely Randrianirina Mickael... ♦ Raharaha fitoriana nataon'Andriamatoa Tojo Ravalomanana ho an'ny Ben'ny Tanàna Harilala Ramanantsoa momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Haverina any amin'ny Mpitsara mpanao famotorana indray ny raharaha... ♦ Nanolotra ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanjakàna ho an'ny Fanavaozana Ifotony tamin'ireo Loholona teny Anosikely omaly ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama...

• Tsy maintsy hatao ny fikaonandoham-pirenena, ary efa miasa amin'ny fanomanana izany ny FFKM amin'izao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nihemotra ho amin'ny fotoana manaraka mbola tsy voafaritra, ny famoahan'ny Fitsarana Tampony ny didy momba ny fitoriana nataon'Andriamatoa Tojo Ravalomanana, tsy nanaiky ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Sehatr'asa enina no omena laharam-pahamehana ao anatin'ny LFI, lalana lasitra hifehy ny tetibolam-panjakana, ho an'ny taona 2026...

♦ Tanterahana nanomboka androany haharitra telo andro eny Mandriamena ny fikaonan-doham-pirenena kristiana, tonga namaly antso ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika sy ireo mpanolontsaina avo... ♦ Anio tolak'andro amin'ny roa ora no hiverina hiakatra eny amin'ny Fitsarana Antampony ny raharaha fitorian'Andriamatoa Tojo Ravalomanana ny ben'ny tanànan'Antananarivo Harilala Ramanantsoa... ♦ Nanao sakan-dalana nitaky ny hamerenana ny "Casseur de vitesse" eny amin'ny lalana Francophonie sy kianjan'i Makis ireo mponina teny amin'ny manodidina noho ny fisian'ny lozam-pifamoivoizana matetika eny an-toerana...

Tato anatin'ity telo volana voalohany amin'ny taom-pianarana ity dia maro ireo tsy fahatomombanana ara-potoana sy ara-pampianarana noho ireo fitokonana ; maro ireo sekoly no tamin'ny 10 novambra vao tena nianatra. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia manana adidy hampaomby ny fanabeazana sy fampianarana. Ny Mpisehatra amin'ny fanabeazana dia manana adidy hampahery ny mpianatra manoloana ny famitàna tetiandro-pampianarana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Hampahafantarin'ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola eny Tsimbazaza anio ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2026... ♦ Anjaran'ny eny amin'ny antenimieran-doholona amin'ity alarobia ity no handray ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo hamelabelatra sy hampahafanta ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna (PGE)... ♦ Nahitana vato sarobidy milanja 30 kg nafenina tao amin'ny lapam-panjakàna Ambohitsirohitra, ny ampahatelon'io vato sarobidy io no fantatra fa Emeraude... ♦ Olona miisa no voasambotra tamin'ilay raharaha fikasana hamono ny lehiben'ny fampanohavana tao Bruxelle ny talata 18 novambra 2025...

Aoka ny Eveka sy ny pretra hampianatra sy hanofana ny vahoaka mba hahalala sy handray anjara tsara amin'ny Litorjia. ohatra : Fanofanana ny vaomieran'ny Litorjia isa-paroasy. Mila katesizy Litorjika ho an'ny mpino, manaza ny dikan'ny Eokaristia sy ny vavaka isan-karazany, ny sakramenta ny taom-piangonana. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy rehetra dia mandray anjara amin'ny asan'i Kristy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Aoka ny fikambanana sy ny ivon-toerana momba ny fianarana litorjika hiorina sy hanampy amin'ny fanavaozana. Tokony hisy "centre de liturgie" isam-piangonana na amin'ny ambaratonga nasiônaly, hanomana sy hanofana ireo mpitarika. Ny fanabeazana litorjika dia andraikitra iraisan'ny Eglizy manontolo, tsy an'ny seminera na pretra irery... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Fandaharan'asa mifototra amin'ny fanavaozana ifotony, ahitana taratra ny hetahetan'ny vahoaka no isan'ny voafaritra ao anatin'ny PGE, izay novelabelarin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena... • Tsy napetraka amin'ny toerana voatokana, fa miaraka amin'ny daholobe ao amin'ny fonjan'Antanimora, Ramatoa Rinah Rakotomanga, noho izy hatahorana hanao herisetra, raha ny fanazavana nentin'ny Minisitry ny Fitsarana androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...