Mila fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina ; ao anatin'ny Soratra Masina no hakana ny teny vakiana sy ny toriteny noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny Soratra Masina ao amin'ny Litorjia. Ny Soratra Masina dia loharano fototra amin'ny Litorjia rehetra. Ny fankalazana rehetra dia tokony hanana laharana lehibe ho an'ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Naneho hevitra manoloana ny filazana amin'ny fananany birao eny an-dapa i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasiônalin'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Efa misy sahady ireo diso fanantenana amin'izao dingana ataon'ireo mpitondra ao anatin'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara izao ankehitriny, hoy ny TAFITA... ♦ Tsy fiaraha-miasa fotsiny fa fiaraha-mientana mihitsy no takiana amin'ireo hery fiarovana mba hahatontosany ny asany araka ny tokony ho izy, hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Mihoara ny 200 ireo olona nisy naka an-keriny tao amin'ny sekoly katôlika iray ao afovoan'i Nigeria...
Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...
♦ Nampahafantatra ny olom-pirenena rehetra ny Ministeran'ny Fitsaràna fa nisy fisavana tsy ara-dalàna tao amin'ny tranon'ny Ben'ny tanàna teo aloha tao Ambohibao Antehiroka, omaly... ♦ Voafidin'ireo solombavambahoaka hisolotena ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny CENI Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, izay efa filoha lefitra teo aloha tao amin'ity vaomiera ity... ♦ Mijanona ho mpampiantrano fotsiny i Madagasikara mandritra ilay fihaonana an-tampon'ny SADC, hotanterahina amin'ny herinandro, handinihina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza... ♦ Mahatratra 89 isa ireo sivily maty novonoin'ny Vondrona ADF, tany atsinanan'i RDC...
♦ Hihatra manomboka amin'ity volana novambra ity avokoa ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana, ho an'ireo misitraka izany eo anivon'ny CNaPs... ♦ Mbola asa goavana ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara satria mijanona an-taratasy fotsiny ny ankamaroan'izany... ♦ Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho "Agent de Police". Efa azo raisina eny amin'ny ENMG kosa ny taratasy fiantsoana ho an'ireo mpiadina voasoratra ara-dalàna amin'ny fifaninanana hidirana ho mpitsara... ♦ Miteraka ady hevitra be any Frantsa, ny filazàn'i Fabien Mandon fa tsy maintsy mahafoy ny zanany i Frantsa manoloana ny ambana ady amin'ny Rosia...
Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fiketrahana Masina irery no manana fahefana faratampony amin'ny fandaminana, fanovana Litorjia. Ny Eveka afaka manova araka izay lalàna manan-kery, izay voarakitra ao amin'ireo tahirin-kevitra maro misy eo amin'ny Eglizy. Omena fahefana ihany ko any CEM amin'ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana. Ny fanavaozana dia atao amin'ny fahefana ara-kanônika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Manome 48 ora ireo tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, izay efa nesorina tamin'ny andraikiny, ny fitondram-panjakna ankehitriny mba hamerenan'izy ireo ny fitaovam-panjakana izay mbola ampiasainy... • Milaza ho tsy mahazaka ny ambaran'izy ireo ho tsindry sy fampihorohoroana ataon'ny Tale Jeneralin'ny CNAPMAD, ireo mpiasa sasantsasany eo anivon'ity orinasa ity... • Handray ny fihaonana antampon'ireo firenena Afrikana aty amin'ny faritra andrefana, misehatra amin'ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, isika eto Madagasikara ny 25 hatramin'ny 27 novambra 2025...
Mbola iharan’ny olana amin’ny fizakana tany ny ankamaroa’ireo vehivavy tantsaka eto amintsika. Maro koa ny olana hafa mitranga. Nivoitra nandritra ny fanatevena-pahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany nandraisan’ny solontenan’ireo tantsaha ao amin’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny any Boeny, Matsiatra Ambony ary Bongolava sy ny tantsaha avy amin’ny FIFATA avy any Ihorombe, Vakinakaratra ary Itasy...
• Namoaka filazana fandraisana Lehiben'ny Faritra, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manana hatramin'ny 28 novambra 2025 ireo maniry hanao izany... • Nisy ny fivoarana nentina teo amin'ny sehtra letisia, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, nandritra ny fanokafana ny taom-piotazana tany Toamasina... • Andalam-panamboarana ankehitriny ny fotodrafitr'asa, hanomezana fanofana arak'asa ka hampidi-bola ho an'ireo voafonja, any amin'ny Faritra Amoron'i Mania...
Tamin'ny 15-16 novambra 2025 dia nanamarika ny taon-jôbilin'ny mahantra ny Fiangonana, izay nampahafantarana ny hasina maha-olona sy ny zon'ny olona mahantra, nifanentanana amin'ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana eo amin'ny samy Kristiana. Zo fototra ny fisitrahana ny zo ara-pahasalamana ho an'ny olona rehetra na lahy na vavy, na mahantra na manana : fisorohana, fitsaboana, fanaraha-maso. Maro ireo antony tsy hisitrahan'ny mahantra ny zony : tsy fahampiana ara-bola sy fitaovana, lavitry ny tobi-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco