♦ Nodimandry tampoka androany maraina tao Fianarantsoa ny Talen'ny Radio Fivé Morombe Mompera Ranamandrainy Caliste, 43 taona izy izao nidaosin'ny fahafatesana izao... ♦ Nahetsiky ny fitondrana hanamora ny fitanterana amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ireo fiarabe FOTON miisa 250. Hisy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana ireo fiarabe ireo... ♦ Tontosa teny Alarobia ny andiany voalohany amin'ny Symposium momba ny Cybersécurité eto Madagasikara... ♦ Niala tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Fitsaràna iraisam-pirenena misahana ny heloka CPI i Niger...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...