♦ Ny fanovan-drafitra, ny fanarenana ara-tsôsialy sy ara-toe-karena. Ireo no ifantohan'ny Fandaharan'asa ankapoben'ny Fanjakàna, izay novelabelarin'ny Praiministra teny Tsimbazaza ny antoandro teo... ♦ Tokony 1.500.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara hoy ny FISEMARE. Nandrafitra kajikajy "Budget type", nahazoana izay famaritana fampiakarana karama izay ity sendikà ity... ♦ Sokatra 56 isa saika haondrana antsokosoko any Vietnam no tra-tehaky ny fadin-tseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina Nosy-Be. Sidin'ny Ethiopian Airlines no saika hitondràna ireto biby malagasy, arovana ireto...
Ny "gaotra" dia fiakaran'ny "acide urique" vokatry ny sakafo matsiro fa tsy sakafo matavy matetika, izay afangaron'ny olona anefa samy hafa. Matetika dia olona efa nahazo taona, tia hena mena no mararin'ny gaotra. Ohatra : hen'omby... Fandaharana "Zava-misy" iarahana Docteur RAMANANDRAIBE, fandaharana atolotr'i Rasamimanana Marc.
Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra, ao amin'ny faritra Analanjirofo sy ny manodidina. Lahabolana entina manalanala andro, izay mety hitarika ady hevitra na fampihomehezana. Mitovitovy amin'ny angano izy saingy fohy. Korana = resaka na resadresaka, ahazoana matoanteny hoe " mikorana - miresaka - mitafatafa". Matetika, manomboka amina fanontaniana ary miafara amina fanontaniana ny fitantarana mba hiteraka ady hevitra ; maharitra 3-5 minitra ny faharetan'ny tantara iray...
♦ Hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny Tsimbazaza anio ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Hovoaboasana amin'izany ireo laharam-pahamehan amin'ny fitakiam-bahoaka... ♦ Ministra miisa 6 indray omaly no nampahafantatra ny vinany tamin'ireo Solombavambahoaka nandritra ny fiantsoana azy ireo teny Tsimbazaza... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Barean'ny Madagasikara omaly tamin'ny lalao ara-pirahalahiana tany Turquie. Lalao nafahana nanandrana tetik'ady vaovao, hiatrika ny fifanitsanana CAN 2027 amin'ny volana marsa... ♦ Mila famatsiam-bola hatrany amin'ny 70 miliara Euro i Eukraine mandritra ny taona 2026, hiatrehana ady amin'i Rosia...
Aoka ny Eveka hikarakara mba hisy fiofanana litorjika ho an'ny pretra efa miasa amin'ny asa pastoraly. Mila fampahatsiahivana sy fanavaozana tsy tapaka ny pretra amin'ny fankalazana. Tokony hisy fivoriana, fianarana, retraites spirituelles ho amin'ny fanavaozana ny fahaiza-mitarika amin'ny Litorjia. Ny pretra dia miaina ao anatin'ny fanavaozana mitohy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
• Hahazo vahana amin'ny ankapobeny ny volon'andro fahavaratra amin'ity herinandro ity, raha ny vina avy amin'ny Météo... • Andiana Minsitra fahatelo namaly ny antson'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza androany, ireo Minisitra enina misahana mivantana ny sosialim-bahoka... • Manao antso avo amin'ny fampahafantarana mialoha ireo fandaharam-potoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny Vovonana VOIFIRAISANA...
♦ Ho tanterahina rahampitso talata eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fampahafantarana ataon'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo ny Pôlitika Ankapoben'ny Fitondrana (PGE)... ♦ Anatin'ny famolavolana ny taratasy lasitra entina mandresy lahatra ny fitondram-panjakàna sy ny ministeran'ny fitsaràna ny hisitrahan'izy ireo ny sekreteram-panjakàna hiahy azy ireo ny fandraharahana ny fonja... ♦ Hiakatra kianja ao Antalya any Turquie anio, amin'ny 5 ora eto an-toerana, ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny taranja baolina kitra, ny Barean'i Madagasikara... ♦ Niray latabatra sy niara-nisakafo tamin'ireo mahantra tao vatican ny Papa Léon-XIV...
Voambolana malaza nanomboka tamin’ny hetsi-bahoaka notarihan'ny GEN Z teto Madagasikara ny hoe "fanovàna", izay lasa teny isan'ny enti-mamaritra ny asa andrasana amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Andrenesana izay teny fitakiana fanovana izay na ny lafiny sosialy, na ny toe-karena, fa indrindra ny tontolo politika, izay hitakian’ireo mpitolona ny hampiharana izany hatrany ifotony, miainga eny anivon’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina ary miafara any amin’ny mpitondra mpanatanteraka.
♦ Maro lafy ireo zavatra noresahan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika tamin'ilay dinidinika nataony ho an'ny vahoaka Malagasy, voaresaka tamin'izany ireo raharaha mafana samihafa eto amin'ny firenena... ♦ Hampanantsoin'ireo solombavambahoaka mandritra ny fivoriana tanterahina eny Tsimbazaza anio alatsinainy faha-17 novambra, ireo ministra miisa enina voakasika amin'ny filàna fototra ho an'ny vahoaka... ♦ Hiverina handray ny asany manomboka anio alatsinainy faha-17 novambra ireo "internes" manerana ny nosy, vita sonia ny faran'ny herinandro teo mantsy ny "protocole d'accord" niarahan'izy ireo tamin'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka...
Ny fianarana momba ny Litorjia dia tsy amin'ny soratra fotsiny fa amin'ny fanazaran-tena sy fanatanterahana mivantana. Tokony hanana traik'efa amin'ny fankalazana ny seminarista, amin'ny vavaky ny Eglizy, amin'ny Eokaristia, amin'ny Sakramenta. Ny fiofanana Litorjika dia tsy fanazavana teôlôjika fotsiny fa fampianarana miaina ny misterin'i Kristy amin'ny fomba Litorjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
♦ Ravan'ny mpitandro ny filaminana any Antsirabe ny tambazotran'ny mpaka ankeriny, nisy ny jiolahy namoy ny ainy voatifitra, avotra ilay teratany vahiny nalaina ankeriny ny alarobia teo... ♦ Tsy haitraitra fotsiny ny fangatahana zo tsy azo enjehina takian'ny Ben'ny Tanàna fa tena dingana iray hahafahana miatrika ny fampandrosoana ny kaominina hoy ny filoha mpirara-mitantana ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna manerana ny nosy... ♦ Laharam-pahamehana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera, indrindra amin'ny fanafoanana ireo andininy mety hanelingelina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety hoy ny tale jeneraly vaovaon'ny Ministeran'ny Serasera...
Alahady faha-33 mandavantaona — D — Ho avy ny farandro ary hotsarain’Andriamanitra isika - Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo. Mbola hifarana ny tantaran’izao tontolo izao, indray andro any, hanjakan’i Kristy mandrakizay amin’ny olona rehetra. Madiva hifarana ny taona litorjika izay mampitodika antsika amin'ny farandro. Andriamanitra dia tsy mandao amin'ny fotoan-tsarotra, ny faharetana amin'ny finoana no fanalahidin'ny famonjena, tsy amin'ny hery fa amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra mitohy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco