---/... Madiva hifarana amin'ity herinandro vao manomboka diavintsika ity sahady...ny ivon'ilay iray volana natokana hanehoana ivelany ilay fetim-pirenena sy hoe fahaleovantena. Toa vetivety izany, toy ny famintinana ny fizotry ny tantara niainga tany amin'ny fahagola, fahafoko, fahampanjaka, fanjanahantany hatramin'ny fahaleovantena. Am-polo taona maro tokoa no efa nivoizana sy namantsihana tao an-tsain'ny Malagasy izay hoe fahaleovantena izay. 66 taona amin'ity taona 2026 ity tokoa hoe no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara rehefa avy teo ambany vahoan'ny vazaha mpanjanaka...
Dia tena azo tokoa ve ny fahaleovantena sa mbola sarintsariny ihany? Miaina anaty fahantrana lalina mantsy ny malagasy tao anatin'izay 66 taona izay ary mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin'ny samy malagasy. Ny mpitondra koa dia mitavandra fanampiana lava any amin'ireo mpamatsy vola any ivelany, saingy nitondra inona izany? Moa ve tsy ireo vahiny ihany no mikendry hametraka ny olony mba hahafahany mamatam-bonona? Dia miova isan-taona eny ilay tara-kevitry ny fankalazana rehefa volana jona. Tsy nisy ratsy ireny na dia nampifandraisina sy nolaroina ny hevi-politika tian'ny mpitondra aseho aza. Ny amin'ity izao dia hoe: fanavaozana ho an'ny fandrosoan'i Madagasikara. Eo amin'ny lafiny inona no hiaingan'izay fanavaozana sy fandrosoana izay, hoy ny AROFANINA, raha tsy hiteny afa-tsy ny sosialim-bahoaka izay tena mahavalalanina?
Samy nilokaloka ny amin'ny ho fampandrosoana an'i Madagasikara sy nivoy ny hoe fahaleovantena ireo mpitondra nifandimby, tato anatin'izay 66 taona izay fa aiza isika Malagasy maro an’isa izao? Ireo mpitondra sy efa nitondra no efa manana AROFANINA azo dinganina satria manana fahaleovantena malalaka mialokaloka any am-pita rehefa voaongana teto noho ny disadisa. Dia ity indray ny fetim-pirenena voalohany ho an'ny fanavaozana ka aleo aloha handeha hotazamina ny rindrandamin'ny mpitondra fa miaramila rahateo ireo mitondra ka antenaina tsy hanao bingo manao matso satria fetin'ny foloalindahy koa ny 26 jona. F'angaha izay ihany fa raha ataon'ny AROFANINA bango tokana dia saika tsy aseho na voizina koa anie ny teny hoe fahaleovantena raha tsy amin'ny fetim-pirenena e! Dia ho gaga ve isika noho izany raha tsy rototra loatra amin'ny fihetsika heverina ho bitika kanefa manan-danja dia ny fanandratana ilay sainam-pirenena fotsy mena maitso ny Malagasy! Tsy iray andro na iray volana no hanindrahindrana ny fahaleovantena sy ny maha izy azy ny firenena. Tsy am-bava fotsiny koa na fanamiana kely salorana mandalo fa tokony....eny tsy maintsy ilaina hitoetra mba ho fitaratry ny taranaka hamelomany maso isan'andro vaky ny fitiavany ny firenena ka imasoany lalandava ny fahaleovantena.
Ilaina fisaintsainana lalina ny fahaleovantena satria miseho amin'ny endrika maro ireo ambana manarontsarona izany. Tsy vitsy ohatra ireo olona ato anatiny no ataon'ireo vahiny ho fitaovana ka vezatiny mba hahafahan'izy ireo hitsabaka sy hametraka ny olony na hampiasa ny volany ho tambin'ny tombontsoany.
Ety am-pamaranana dia mety hilaza ianao hoe masiaka ny AROFANINA....eny mety ho marina. Fa raha samy hanakombom-bava na hisarosaron-tava.... Dia iza no hanitsy ireo hery avy any ivelany manohy sy mambotry hatrany ny firenena ka miezaka manakorontana ny Malagasy ho toy ny valala miady an-karona? Andraikitsika miaraka koa ny mamosaka mazava ireo Malagasy zatra tia tena loatra. Fotoanan'izany ny fanavaozana ambara ombieny ombieny....mba tsy vao mainka koa....hanamafy ilay fanarontsaronana ilay tena fahaleovantena...anaty fiankinan-doha