Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...