• Diso hevitra ireo miteny fa mamerina ny nataon'ny teo aloha ny fitondrana amin'ny fanenjehana ara-pitsarana misy amin'izao, hoy Ramasy avy amin'ny Vondrona Panorama. Nambarany fa tokony ho zatra fampiharan-dalana isika Malagasy... • Olona 11 no maty, 274 tra-boina teto amin'ny Faritra Analamanga, vokatry ny oram-be tato ho ato. Tao ireo nianjeran'ny trano, nisy ny nilatsaham-baratra, raha ny tatitry ny BNGRC androany... • Ambim-bolam-panjakana ilay "prime" 310.000 Ariary, ho an'ny mpiasam-panjakana. Nanazava ny momba izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fananganan-tsaina voalohany teny Iavoloha...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...