• Niakatra ho 76 ny isan'ireo tranga ahiana fa aretina nendran-drajako hita eto Madagasikara. Nitombo ny faritra ahitana azy, raha ny tarehimarika avy amin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Navotsotra, saingy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana i Moussa Soahily, taorian'ny fiakarany fitsarana omaly hariva. Diso ny vaovao niparitaka fa nalefa eny Tsiafahy ity mpomba ny fitondrana teo aloha ity... • Hiverina ny fitondrana arovava sy orona eny an-tsekoly. Namoaka naoty ho fampiharana ireo fepetra fisorohana ny Mpox amin'ny sehatry ny fampianarana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...