Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny reny dia isan'ireo manana andraikitra lehibe ao an-tokantrano, noho izany mba mila manana fotoana hialana voly izy. Ny fialam-boly dia fiatohana afahana mamerina ny hery ho entina miasa na mihetsika indray. Ny fialam-bola ihany dia fialana amin'ny asa fanao andavanandro, ialana amin'ny harerahana, hanovozana hery vao. Ny fiatohana dia fotoana afahana mankafy izay natao. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Misy ezaka toa tsy misy vokany, toa mangina Andriamanitra, ary izany dia mahatonga fahamainana. Noho izany dia kivy isika fa hoe tsy mivaly ny vavaka. Andriamanitra dia eo amin'ny fiainantsika mandrakariva, mankahery antsika ary mihaino ny vavaka ataontsika. Aza kivy na reraka fa aoreno ny finoana an'Andriamanitra, aoka hanana faharetana isika rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-8)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano Izy,
mandatsaka ny vahany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 1, 1ab-2. 3. 4 sy 6
Endrey, sambatra loatra
izay tsy momba ny ratsy fanahy,
fa ny lalàn’ny Tompo no maminy,
io no saininy andro aman’alina!
Hazo amoron-drano velona izy:
ka miroborobo faniry,
mamoa ara-potoana, tsy mba malazo ravina:
izay rehetra ataony dia mahomby avokoa.
Ny ratsy fanahy kosa tsy izany velively;
akofa paohin-drivotra tsy maharitra eto an-tany.
Eny, fantatry ny Tompo ny lalan’ny olo-marina;
fa ny an’ny olon-dratsy mitondra any an-tevana.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 12. 16-20)
Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana no ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty?
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona, raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 17. 20-26)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka.
Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany,
hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany.
Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.
Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza,
fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{/tab}
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco