Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-8)

Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, hosoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo:
Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano Izy,
mandatsaka ny vahany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 1, 1ab-2. 3. 4 sy 6

Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

Endrey, sambatra loatra
izay tsy momba ny ratsy fanahy,
fa ny lalàn’ny Tompo no maminy,
io no saininy andro aman’alina!

Hazo amoron-drano velona izy:
ka miroborobo faniry,
mamoa ara-potoana, tsy mba malazo ravina:
izay rehetra ataony dia mahomby avokoa.

Ny ratsy fanahy kosa tsy izany velively;
akofa paohin-drivotra tsy maharitra eto an-tany.

Eny, fantatry ny Tompo ny lalan’ny olo-marina;
fa ny an’ny olon-dratsy mitondra any an-tevana.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 12. 16-20)

Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana no ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty?
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona, raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 17. 20-26)

Sambatra ianareo mahantra. Mila loza kosa ianareo mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka.
Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe:

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany,
hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany.
Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.
Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza,
fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{/tab}

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...