Olona miisa 8 no tra-tehaky ny avy amin'ny zandary sampana misahana ny heloka bevava eny Fiadanana noho ny resaka halatra sy fanapohana solika tany amin'ny lalam-pirenena RN2...
Kaominina miisa 9 amina Faritany miisa 3 eto amin'ny nosy no hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna, tokony hanaja ny tany tan-dalàna ny Fanjakàna ka hanomana ny famerenana ny fifidianana hoy ny sampana hanaraha-maso SAFIDY...
Isika eto Madagasikara no mampiantrano ny atrik'asa andiany faha-30 momba ny vinavinan'ny taom-pahavaratra 2025 ho an'i Afrika na ny SARCOF-30 amin'ity taona ity...
Nametra-pialana omaly talata ny praiministra lehiben'ny governemanta Serbe, Milos Vucevic, taorian'ny hetsi-bahoaka naharitra 3 volana nitaky ny fametraham-pialany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.