Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 1. 4-10)

Indro Aho manendry anao ho eo amin’ny firenena amam-panjakana.

Tenin’i Jeremia, zanak’i Helkiasy,
iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Dia hoy aho:

“Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.”

Fa hoy ny Tompo tamiko:

“Aza manao hoe: zaza aho,
fa handeha ho any amin’izay rehetra hanirahako anao ianao,
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho,
— Teny marin’ny Tompo!”

Dia naninjitra ny tanany ny Tompo, ka nanendry ny vavako,
ary hoy ny Tompo tamiko:

“Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
ary indro Aho anio manendry anao,
ho eo amin’ny firenena amam-panjakana hanongotra sy hanjera,
hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17

Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy ny vonjinao.

Ianao no ifefeko, ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay Mandrakizay!
Afaho noho ny Fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo!

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy
ry Andriamanitra ô!

Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka; Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.

Ny vavako mitanisa tontolo andro
ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy,
dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 7, 14-15. 18-20)

Harianao any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra, ry Tompo.

Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao, ry Tompo,
dia ny ondry lovanao izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela;
aoka hiraoka any Basana sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta,
haneho zava-mahagaga aminy Aho.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana,
ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao?
Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany
fa ny mamindra fo no sitrany.
Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika.
Harianao any ambany ranomasina ny fahotany rehetra;
hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinanao Ianao,
sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao;
izay efa nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro fahataloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 2-4. 5-6. 7-8

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao.

Tsimbino, ry Tompo, ity taninao.
Ny babon’i Jakôba re ampodio.
Esory ny helok’ireo olonao, dia sarony ny otany.
Ianao aza tezitra intsony aminay.
Ny fonao vinitra re aoka izay!

Ianao no Mpamonjy ka ento mba ho hody ’zahay Andriamanitra.
Toneo ny hatezerana raha sitrakao,
ho tezitra mandrakizay ve Ianao?
Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka?

Tsy hamelombelona anay va Ianao?
Mba satry tokoa hiravo aminao:
Ianao tsara fa misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no renika sy rahalahiko.

Indray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.”

Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:

“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”

Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nametra-pialana tsy ho governoran'ny Faritra Androy intsony Andriamatoa Soja Lahimaro Tsimandilatse. Tsy misy resaka pôlitika akory ny fanapahan-keviny hoy izy fa antony ara-pianakaviana... ♦ Mifarimbona amin'ny fampandriana fahalemana ao amin'ny Faritr'i Menabe ny Kalaony. 1.300 ny isan'izy ireo mivondrona amin'izany rafitra izany ankehitriny... ♦ Manodidina ny 5,5 taonina isaky ny hektara ny voka-bary azo amin'ny fampiasàna ny teknika voizin'ny Papriz. Maherin'ny 100.000 ireo tantsaha mampihatra izany amin'ny faritra iasan'ny tetik'asa... ♦ Mahazo vahana indray ny herisetra atsy Somalie : 9 isa no maty,  20 naratra, vokatry ny fipoahan'ny fiarakodia voasesika baomba tao Mogadiscio...

Vakiteny voalohany

Boky Tononkira dia Tononkira (Ton 3, 1-4a)

Nahita ilay malalan’ny foko aho!

Izao no lazain’ny ampakarina:

“Teo am-pandriako aho, nony alina,
nitady ilay malalan’ny fanahiko;
nitady azy aho, fa tsy nahita...
Ka hoy aho anankampo:
Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,
ny lalambe sy ny kianja
hitady ilay malalan’ny foko.
Dia nitady Azy aho fa tsy nahita.
Tojo ahy ny mpiambina izay misafo tanàna;

‘Mba hitanreo va ilay malalan’ny foko?’

Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,
dia nahita an’ilay malalan’ny foko.
Nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9

Andriamanitra ô, mangetaheta Anao ny fanahiko!

Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano!

Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy ny voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankazala Anao!

Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tànana amin’ny Anaranao.
Ka ny fanahiko toy ny voky sakafo soa,
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!

Fa Ianao no mpiahy ahy!
Mibitaka aho alofan’ny elatrao.
Ny fanahiko misarangotra aminao,
ny tànanao misakambina ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana.
Ny fasan’i Kristy velona no nahitako
sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)

Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro,
dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Maria Madelenina,
ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
Nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana izy.
Ary teo am-pitomaniana,
dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy,
nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa,
ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra.
Dia hoy izy ireo taminy:

“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?”

Ka hoy izy namaly ireo:

“Satria nalain’olona ny Tompoko,
ka tsy fantatro izay nametrahany Azy”.

Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika,
ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo,
nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?
Iza no tadiavinao?”

Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy:

“Raha ianao re no naka Azy, tompoko,
mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy,
hangalako Azy”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ry Maria!”

Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe:

“Rabònỳ!” (Izany hoe Mpampianatra).

Hoy i Jesoa taminy:

“Aza mikasika Ahy,
fa mbola tsy niakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,
ary any amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!”

Dia lasa i Maria Madelenina
ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe:

“Efa nahita ny Tompo aho,
ary izany no nolazainy tamiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 23, 1-6)

Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho.

Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako,
— teny marin’ny Tompo.
Koa izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:
Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;
tsy niahy azy ireo ianareo.
Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo,
— teny marin’ny Tompo.
Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,
avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,
dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;
ka hitombo sy hihamaro.
Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;
ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;
sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza,
— teny marin’ny Tompo. —
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo,
hananganako solofo marina ho an’i Davida;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena,
i Israely handry feizay;
ary izao no anarana hanononana azy:

“Tompo-fahamarinantsika”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo miandry ahy; tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko,
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 13-18)

Izy no fiadanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.

Ry kristianina havana,
ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny,
dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.
Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika,
mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta,
ho tena iray amin’Andriamanitra,
noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra,
sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,
satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray
ao amin’ny Fanahy iray ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”;

fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka
ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

20 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)

19 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

18 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty,  7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...

Matetika ny olona somary manahirana no ifandraisan'Andriamanitra, tsy mora resy lahatra sady be fanahiana, ary isan'ireny i Môizy. Tamin'ny fotoana niantsoana azy dia olona tsy nahomby tamin'izay nataony ary nandositra i Môizy ary izay no nahatonga azy tany Madiana. Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ao an-tokantrano no fanabeazana ny tsirairay mba hiaina ny fahatahorana an'Andriamanitra. Tandindon'ny firenena iray manontolo ny fianakaviana tsirairay. Zava-dehibe ny fiainam- panambadiana satria hanabeazana ny ankizy sy ny tanora ho fampandrosoana. Misy ny atao hoe "Tribunal ecclésiastique" raha misy olana ara-panambadiana ny olona roa. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...