Misy olona mihevitra fa raharahan'ny sahirana sy ny bado ny mivavaka. Ao amin'ny tantaran'ny fiainam-panahy dia lazain'ny philosophe antsoina hoe Blaise Pascal, ao amin'ny boky "le Memorial" fa Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, Andriamanitr'i Jakôba fa tsy Andriamanitry ny Philosophe, Izy no fahamarinana, fahamatorana, hafaliana sy fiadanana, ilay rain'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Hoy ny Papa François : miseho amin'ny asa ny vavak'i Abrahama. Ny mivavaka dia mandrakitra eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny tantara ny fiombonana amin'Andriamanitra, mankalaza ireo fahasoavan'Andriamanitra efa natolony. Ny vavaka ataontsika dia tokony hitarika antsika handray ny hafa : ireo tsy manan-kialofana ireo mitsoa-ponenana,izay zava-mitranga manahirana ankehitriny. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

♦ Tanin'ny Diôsezin'Antananarivo, mirefy 7 hatramin'ny 9 hekitara no misy mibodo eny Ilafy Ambohimangakely... ♦ Nihemotra adiny roa ny fanombohan'ny adina taranja anglisy ho an'ny foibem-panadinana maro tao an-drenivohitra sy tany amin'ny faritra, androany maraina. Niparitaka ny filazana fa nivoaka mialoha ny laza adina... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Nametraka fepetra izy ireo momba izay minisitra hotendrena hitantana io minisitera io...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 2, 1-5)

Tsiriritiny ny saha ary alainy koa ny trano.

Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy
sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony!
Raha vao maraina koa tanterahiny izany,
raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha, ka alainy;
ny trano koa, ka lasany;
anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Ka izao no lazain’ny Tompo:

“Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,
ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo;
ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.”

Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo
sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:

“Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika;
amidiny ho anjaran’ny vahoakako!
Ahoana no angalany izany amiko?
Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?”

Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina
hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14

Aza hadino ny mahantranao, ry Tompo.

Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra?
no miafina amin’ny andro fahoriana?
Ny olon-dratsy mirehaka;
ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.

Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony;
ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo.
Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy:
ny ambentin-keviny: “Tsy misy Andriamanitra!”

Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka;
ambany lela, fampahoriana sy hasomparana.
Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka:
dia vonoina an-takona ny madio.

Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo,
izay karohinao mba hatao an-tanana.
Ianao Tokin’ny malahelo.
Ianao Mpitahy ny kamboty.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)

Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 38, 1-6. 21-22. 7-8)

Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao.

Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa.
Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe:

“Izao no lazain’ny Tompo:
Omeo ny fianakavianao izay didinao,
fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.”

Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa,
ka nivavaka tamin’ny Tompo; hoy izy:

“Tompo ô,
tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho,
ary nanao izay tsara eo imasonao.”

Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.
Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe:
Izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Davida rainao:
Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao,
ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho;
ary hiaro ity tanàna ity.”

Hoy i Izaia:

“Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery,
ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.”

Ary hoy i Ezekiasa:

“Inona no famantarana hahalalako
fa hiakatra any amin’ny tranon’ny Tompo aho?”

Ary izao no famantarana omen’ny Tompo anao,
hahafantaranao fa hotanterahin’ny Tompo izany teny nolazainy izany:

“Indro Aho hampihemotra ny aloka hiverina
araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy;
eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.”

Dia nihemotra ambaratonga folo,
teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo ny masoandro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Iz. 38, 10. 11. 12abde. 16

Arovanao amin’ny lavaka fahaverezana ny fanahiko, ry Tompo.

Vao misasaka ve ny fiainako,
dia ho faty sahady, hoy aho.
Ka ny androko sisa rehetra,
dia ho very sy hafoiko avokoa.

Tsy hahita ny Tompo intsony,
raha atý amin’ny tanin’ny velona.
Tsy hahita na iza na iza
amin’ny mponina ambonin’ny tany.

Ny fonenako no indro hiongotra
toy ny lain’ireo mpiandry ondry.
Fa ny fiainana mba notenomiko,
hotapahina ho afaka ny haraka.

Fa ny foko mitoky aminao,
ka sitrano aho, Tompo, velomy,
dia hiova ho soa ny anjarako
na mangidy aza izay efa nentiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

Tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe:

“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”

Ary hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 26, 7-9. 12. 16-19)

Mifohaza ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry amin’ny vovoka.

Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina;
mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Tompo,
ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina;
ary ny saiko ato anatiko, mikatsaka Anao.
Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsaranao,
dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ry Tompo ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao,
fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Nitady Anao izy nony azom-pahoriana, ry Tompo ô,
noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka,
miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany;
tahaka izany izahay, eo anatrehan’ny tavanao, ry Tompo.
Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay,
dia tsy niteraka afa-tsy rivotra.
Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay,
ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
Ho velona indray ny olonao efa maty;
hitsangana indray ny fatin’ny oloko.
Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka,
fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana;
ary ny tany hamoaka indray ny maty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 101, 13-14ab sy 15. 16-18. 19-21

Avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany.

Ianao, ry Tompo, mitoetra mandrakizay;
amin’ny taona rehetra ny lazanao.
Hitsangana hiantra an’i Siôna Ianao:
fa izao dia izao no fotoana fangorahana azy!
Fa mba sitraky ny mpanomponao ny vatony;
mba mahaseriny azy ny vovotaniny!

Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho hary!
Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:

“Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nisy fahatarana adiny roa latsaka teo ho eo ny fanombohan'ny fanadinana BEPC niatrehan'ny mpiadina ny taranja anglisy teny amin'ny foibem-panadinana Nanisana ao amin'ny Cisco Antananarivo renivohitra androany maraina. Voalaza fa efa nisy namoaka mialohan'ny fotoana ny laza adina... ♦ Hiaka-dapa araka ny voafaritry ny lalam-panorenana indray amin'ny talata 9 jolay izao ny solombavambahoaka 163 voafidy ny 29 mey teo... ♦ Efa misokatra ho an'ny fiara rehetra ny RN6 mampitohy ny disitrika Ambanja amin'Antsiranana. Tsy misy intsony ny famindrana entana ho an'ny fitanterana iraisana ho an'ireo mpandeha hihazo an'Antsiranana sy ny any amin'ny lalana mihazo an'i Vohemar...

♦ Nanambara ny sekretera nasiônalin'ny antoko AREMA fa nisy ny fividianana ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Vonona handray anjara amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina nefa ny antoko hoy Ramatoa Annick Ratsiraka... ♦ Hisy fiatraikany ny amin'ny fampiasam-bola sy ny fampandehanan-draharaha any amin'ny departemanta samihafa ny fihenan'ny teti-bolam-panjakàna 2024 nasiam-panavaozana hoy Andriamatoa Serge Zafimahova...  ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa FORMAPROD ho an'ny fampandrosoana sy ny fanofanana ho an'ny eny ambanivohitra. Nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny 10 taona niasany teto Madagasikara...

Araka ny voalazan'ny Boky Jenezy : i Abrahama dia niaina tao anaty fiainam-bavaka maharitra sy tsy niato, ary natoky lalandava ny tenin'ny Tompo. Nino ny Tompo i Abrahama ka notanana ho fahamarinany izany, nino ny Tompo na hoe nivavaka tsy tapaka ka ny finoany no tonga tantar masina ifampitana amin'ny taranaka mifandimby. Ny vavaka dia fanamafisana isanandro ny fitokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

♦ Tsy handefitra amin'ireo manao fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny Minisiteran'ny Tonotolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Mba hisorohana ny osoka amin'ny fifidianana manaraka, dia mandroso soso-kevitra hampiasana ny “vote électronique” sy ny fampiasana ny kara-panondro “biométrique”, ny antoko AREMA... ♦ Fahadisoana pôlitika goavana no nataon'ny fitondram-panjakana Malagasy, nandroaka ny masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana teo aloha, Ramatoa Isabelle Delattre, teto amintsika, hoy ny mpamakafaka pôlitika sy fifandraisana iraisam-pirenena iray...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 10, 5-7. 13-16)

Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky?

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Loza ho an’i Asora, tsorakazon’ny fahatezerako!
fiasan’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,
omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,
dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony;
fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Satria izy nanao hoe:
‘Ny nahefako izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko,
satria mahira-tsaina aho!
Ny faritanin’ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko,
ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho
toy ny lehilahy mahery fo.
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena,
ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra,
ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!’
Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,
miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?
Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy;
sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika,
haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka;
ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,
toy ny afo amin’ny haintrano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 5-6. 7-8. 9-10. 14-15

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian’ny olon-dratsy;
ny lovanao, torotoroiny;
ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny;
ny kamboty aripany.

Ny Tompo tsy mahita, hoy izy;
ny Andriamanitr’i Jakôba tsy mahatazana!
Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina!
Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?

Ilay namboly ny sofina va no tsy handre?
Ilay namorona ny maso no tsy hahita?
Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina?
Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin’ny tso-po.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 7, 1-9)

Raha tsy mino ianareo, tsy haharitra.

Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Jôatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà,
dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rasima, mpanjakan’i Siria,
niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely;
nefa tsy nahafaka azy izy.
Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe:
Mitoby any amin’i Efraima i Siria.
Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo any an’ala
ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Izaia:

“Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba, zanakao,
hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony,
amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;
ka ianao hilaza aminy hoe:
‘Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao
eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,
amin’ny fisafoakan’i Resîna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.’
Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao, mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
‘Andeha isika hananika an’i Jodà,
ka hamparaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao’;
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
‘Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
Satria efa i Damasa no lohan’i Siria ary i Resîna no lohan’i Damasa;
ka dimy amby enimpolo taona sisa,
dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.’
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria.
Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 5-6. 7-8

Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika!
Ny Vohiny Masina; tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo!

Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra.
Tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana-avo.

Nefa indreny manjaka mivorivory;
dia miara-mandroso.
Kanjo he: mahatazana, midonàka,
mangorohoro, riatra mandositra!

Nihovotrovotra foana teo,
nihararetra toa mpivelona;
toa azon-drivotr’Atsinanana;
irony mahapotika sambon-dranomasina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna ary amin’ny tanin’i Sôdôma noho ny aminareo amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:

“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...