Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 8, 4-7. 11-13)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Izy ireo nanangana mpanjaka nefa tsy avy amiko;
nanendry mpifehy nefa tsy nahalala an’ireo Aho;
nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany,
mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
Naharikoriko Ahy ity zanak’ombinao, ry Samaria;
nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerako.
Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?
Fa avy amin’i Israely koa izy;
mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy andriamanitra izy io;
fa hotorotoroina ny zanak’ombin’i Samaria!
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra.
Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarinina;
ary raha vanon-ko lafarinina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany,
ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota.
Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho,
dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany.
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy,
dia ny henan’ny zavatra novonoiny sy haniny;
tsy ankasitrahan’ny Tompo izany.
Hahatsiaro ny helok’izy ireo Izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany:
hiverina any Ejipta izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 113b, 3-4. 5-6. 7ab-8. 9-10
Ny Andriamanitray dia any an-danitra any,
ary vitany izay sitraky ny fony!
Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy:
asan-tanana ireny.
Manam-bava tsy miteny,
mana-maso tsy mahita,
manan-tsofin-tsy mandreny,
manana oron-tsy mahambolo.
Manan-tanan-tsy mandray,
manan-tongo-tsy mamindra.
Ireo namorona azy ireny, ireo matoky ny hotahìny,
enga anie hanahaka azy!
Ry taranak’i Israely, itokio ny Tomponao,
sady Vonjy no ampinga.
Ry taranak’i Aarôna, itokio ny Tomponao,
sady vonjy no ampinga.
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana
ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:
“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”
Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:
“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 2, 16. 17b. 18. 21-22)
Izao no lazain’ny Tompo:
Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra,
ary hiteny aminy ao am-pony;
ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany,
sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Amin’izany andro izany — teny marin’ny Tompo —,
ianao hiantso Ahy hoe:
“Vadiko”,
fa tsy hiantso Ahy intsony hoe:
“Baalako.”
Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao;
hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny
ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;
hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana,
ka hahalala ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Miteny ny herinao mahatahotra,
mitanisa tokoa ny halehibeazanao,
miventy ny fahatsiarovana ny hatsaranao lehibe,
ary mihoby ny fahamarinanao!
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray
niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe:
“Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”
Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony,
ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:
“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:
“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”
Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:
“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 2, 2-5)
Tamin’izany andro izany,
dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy,
ka nandre ny Tompo niteny tamiko aho.
Hoy Izy tamiko:
“Ry zanak’olona,
indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely,
ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko,
fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo,
no anirahako anao.
Izao no holazainao aminy:
Izao no tenin’ny Tompo Andriamanitra.
Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino,
— fa taranaka mpiodina izy —
dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 122, 1-2a. 2bde. 3-4
Any aminao ny masoko no andraiko,
ry Ilay mitoetra any an-danitra!
Indro toy ny mason’ny ankizy lahy
eny amin’ny tanan’ny tompolahiny,
Toy ny mason’ny ankizy vavy
eny amin’ny tanan’ny tompovaviny:
ny masonay any amin’ny Tompo Andriamanitray
miandry fiantràna avy aminy!
Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô,
iantrao fa voky eso loatra,
efa leon’ny tebaky ny tretrika,
efa tofoky ny eson’ny mpiavona!
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 12, 7-10)
Ry kristianina havana,
fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satàna hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko, fa izao no navaliny ahy:
“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko”.
Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy,
satria ny fahalemeko no heriko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Tamin’izany andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy,
ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rehefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:
“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna?
Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?”
Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja
afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”.
Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany eny Tsimbazaza anaty fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vaovao 163. Anarana roa no efa mandeha any, hitàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manambana ny tsy hitsara ny taratasim-panadinana BEPC ireo sendikàn'ny mpampianatra, raha tsy ho voaloa ny "vaccation". Efa maheno siosion-dresaka sahady ireo sendika, amin'ny tsy hahaloavana izany ara-potoana... ♦ Hanomboka amin'ity volana jolay ity ny fitsaràna miaramila taona 2024 eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Hanombohana izany ny eto Antananarivo... ♦ Nahitàna razana 19 tany amin'ny tanàna iray amin'ny sisin-tany iraisan'i Guatemala sy Mexique...
Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; Ohatra : inona ary izany "akana vao mitombo" valiny "afo". Inona ary izany : tany ambanin'ny olona, olona ambanin'ny bozaka, bozaka ambanin'ny rano, ary ny rano hodidinin'ny tany ? valiny " mpantsaka mampiasa halana miloloha siny tany feno rano. Efa any an-tsain'ny mpanontany ny valin'ny ankamantatra ka rehefa afa-po avokoa ny anontaniana vao milaza ny valiny izy no sady manazavana. Misy fiakon'ny ankamantatra amin'ny karazana lahabolana hafa toy ny fombam-pitenenana sy ohabolana ary hainteny...
♦ Tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasàn'ireo solombavambahoaka teo aloha. Volavolan-dalàna 125 sy ireo tolo-dalàna 52 no nodinihin'izy ireo nandritra ny 5 taona hoy ny tatitry ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana... ♦ Mbola voatàna hatramin'izao ny tetiandro vinavina hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna, raha ny nambaran'ny eo anivon'ny CENI. Tsy maintsy hotanterahina amin'ity taona ity izany hoy ny Praiministra, omaly... ♦ Hivory noho ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kaoperativa mpitatitra ao an-drenivohitra na ny UCTU. Hodinihina ny mety hampiakarana na hitazonana ny saran-dalana ankehitriny...
Ny feon'Andriamanitra tsy voasakan'iza n'iza fa tsy ren'izay tsy te handre. Antson'Andriamanitra hoy isika : Hoy ny Papa hoe antso manasa an'i Abrahama ho any amin'ny lalana tsy fantany no niantefa tamin'ity Rain'ny Mpino ity, kanefa niainga izy satria nahatoky ilay miantso dia Andriamanitra izany. Nilaozan'i Abrahama ny tanindrazany sy ny fianakaviany satria izay ny mivavaka ; mamela izay momba anao rehetra fa mihevitra izay lazain'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Nifarana androany ny fivoriana ara-potoanan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Nikatona tanteraka androany koa ny fe-potoana fanaovan-dalàna ho an'ireo Solombavam-bahoaka teo aloha... ♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny fizotran'ny fanadinam-panjakana BEPC, manerana ny nosy... ♦ Hivory, handinika ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kôperativam-pitaterana ao Antananarivo Renivohitra na ny UCTU...
♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...
♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna faharoa amin'ity taona ity na ny BEPC nanomboka androany ny mpianatra taona faha-9, maherin'ny 290.000 ny mpiadina amin'izany manerana an'i Madagasikara... ♦ Mifarana androany voalohan'ny volana jolay ny fe-potoana fiasan'ireo solombavambahoaka miisa 151 voafidy ny taona 2019... ♦ Tsy hiantraika mivantana amin'ny toe-karena sy sôsialy eto Madagasikara ny fahazoantsika famatsiam-bola roa sosona, avy amin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena hoy ny mpahay toe-karena Jonah Andrianantoanina... ♦ Hihato manomboka rahampitso 02 jolay avokoa ny fihaonana samihafa fanaon'ny Papa François noho ny fe-potoana fialantsasatra ho azy, izay haharitra iray volana...
♦ Vonona amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny fitondram-panjakana Malagasy, fepetra maro no efa napetraka momba izany... ♦ Omena tombondahiny amin'ny famatsiam-bola ao amin'ny Banky BNI ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fampivoarana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Hitsangana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera tsy miankina, izay hijoro ho hery afovoany... ♦ Olona 11 indray no namoy ny ainy ny alin'ny sabotsy hifoha omaly alahady vokatry ny daroka baomba nataon'ny tafika Rosiana an'i Ukraine tany Zapporijja sy Donesk... ♦ Olona 5 no maty, ka ny 3 tany Frantsa ary 2 tany Suisse vokatry ny andro ratsy ora-mikija...
Eo amin'ny fomba jody dia Andriamanitra no mitady antsika olombelona, hatrany amin'ny fahariana niainga tamin'ny tsy nisy ka nampisy ny olombelona ; araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy 1,26 hoe " andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Amin'ny maha mpivavaka antsika, vao ao antsaina ny hoe ivavaka dia misy hevitra momba an'Andraimanitra ao, izay ilay atao hoe antso. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco