Ny hevitry ny hoe : Mpaminany dia hoe "mitory ny vaovao mahafaly, mitory ny tenin'Andriamanitra". I Jesoa dia mpaminany lehibe fa Izy no nanambara ny Fanjakàn'ny Rainy, tsy tamin'ny teniny ihany fa tamin'ny toe-piainany ihany koa. Tsy ireo mpandraharaha masina ao amin'ny Fiangonana ihany akory no mpitory teny fa ny Lahika ihany koa amin'ny alalan'ny finoana noraisany, vokatry ny toriteny... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...