• Manentana ny olon-dehibe handray anjara amin'ny andro nasiônalin'ny olon-dehibe andiany faharoa hatao any Morondava amin'ity taona ity ny filohan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny asa fanirahana ataon'ny Laika Mgr Fidelis Rakotonarivo...
  • Mila midina any amin'ny antsasany ny vidin-tsolika ary marin-toerana vao misy akony amin'ny vidin'entana ilain'ny mponina an-davan'andro izany hoy ny mpahay toe-karena Ratsietison Jean Jacques...
  • Tsy hihemotra fa hanohy ny fivoriana hamoriana ny mpanao pôlitika mitovy hevitra aminy ny HPM hoy ny filohany Ralison Roger. Mitanila amin'ny fampiharana ny fepetra ny Fanjakàna araka ny Fanazavany...
  • Mety hiverina indray ny tafio-drivotra mafy any Los Angeles hoy ny mpamonjy voina ka mety hampihanaka ny afo indray. Mety hatratra hatrany amin'ny 130km/h

  • Misy faritra andro ratsy arahi-maso akaiky ao amin'ny lakandranon'i Mozambika...
  • Nitrangàna fitsaram-bahoaka nahafatesan'olona any Antsahatanteraka kaominina Manampatrana distrikan'Ikongo...
  • Mbola nisafidy ny tsy haneho hevitra be loatra manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny Ramatoa Razanamahasoa Christine...
  • Andrasana anio ny fifanakalozana babo eo amin'ny Israeliana sy ny Hamas Palestianina...

  • Iaino hatrany ny fahamarinana na dia toa tsy misy mahita aza, hoy ny hafatra avy amin'ny FFKM. Mitantana ny FFKM manomboka izao ny avy amin'ny EKAR...
  • Hitohy anio sy amin'ny alarobia izao ny famoahana ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna any amin'ny Faritany dimy, voka-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina...
  • Efa mila mizatra manoloana ny ho fiovaovan'ny vidin-tsolika amin'izay isika eto Madagasikara manomboka izao, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoranafo...
  • Nankasitraka ary miantso hatrany amin'ny Fanajàna ny fifanarahana fampitsaharana ny ady any Gaza ny Papa François...

Ny vavaka dia tolona fa tsy haitraitra ary tena tolona ny fiainana maha kristianina, betsaka mantsy ireo faka-panahy mety hanelingelina, eritreritra samihafa. Ny vavaka dia ilana finoana sy fanantenana. Ny vavaka dia mitondra hafaliana sy fahatoniana. Misy ady tsy maintsy hatrehana manoloana ny vavaka, mila fiezahana hifantoka sy fanolorantena... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Misy antso tokana fa lehibe ao amin'ny Evanjely dia ny fanarahana dia an'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny fitiavana. Io no ivon'ny antso rehetra ; amin'izay ny fitiava-namana sy ny fibanjinana dia mirazotra ary mifameno, manambara tanjona tokana. Ny asa vokary ny vavaka, asa am-pitiavana natao mangingina dia azo lazaina fa asa mahagaga azon'ny kristianina atao ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mandritra ny volana janoary dia betsaka ny korontana mety hiseho eo amin'ny fianakaviana, izay atao ihany koa hoe "volan-drimorimo", mila fitandremana ny zavatra hatao. Natao hifanohana sy hifampitaiza ny mpiara-belona. Rehefa anatin'ny fahatezerana dia aoka hofadiana ny teny ratsy sy ny ozona hatao amin'ireo manoloana. Ny saina sy ny toe-panahy no fototry ny fahantrana mahazo an'i Madagasikara... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-2 mandavantaona — D : Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra ; Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Araka izay voalaza ao amin'i 1 Kôr. 12, 4-11 : [...] maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany ; [...] Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony. Sitrak'Andriamanitra ny hahasambatra antsika olony. Ny Evanjely araka ny voalaza ao amin'i Jo. 2, 1-12, mitantara ny fampakaram-bady tao Kanà any Galilea dia maneho ny finiavan'ny Tompo hampibaribary ny fitiavany antsika tsirairay avy...

Ny mpampianatra ara-panahy taloha no nampifanohitra ny fibanjinana tamin'ny asa, ary nanasongadina ny antson'Andriamanitra ho lalana fandosirana an'izao tontolo izao sy ireo olana sy rendrarendrany mba hitokana sy hanamasin-tena taneraka amin'ny alalan'ny vavaka. Ny tsapa anefa, tao amin'i Jesoa kristy tantarain'ny Evanjely, tsy nampifanohitra ny fibanjinana sy ny asa... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpikaroka amin'ny fomba iadiana amin'ilay aretim-bary malazo ravina BLB sy mitsipika amin'ny ravina BRS, miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy. Tsy mbola hita ny fanafody fa mitady an'ireo karazam-bary mahatohitra ny aretina ny teknisianina mpikaroka amin'izao fotoana izao...

Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Betsaka tamin'ny mpianatr'i Jesoa no tsy dia nahazo mazava tsara ny fampianarany ka lasa nandao Azy, teo koa ny fikonokononana hamadika Azy nataon'i Jodasy ; tamin'izay anefa i Jesoa no nanomboka niteny mazava ny fijaliany sy ny fahafatesany. Tao anatin'izany toe-javatra izany i Jesoa no niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany telo lahy ary niova tarehy... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Mikisaka haingana manalavitra ny Faritra atsimon'ny nosy ilay rivo-doza Dikeledi ; tany amin'ny 381 km atsimo somary andrefan'i Faux-Cap no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo...
  • Nihoarana ny vinavina fampidiram-bola tao amin'ny fadintseranana malagasy ny taona 2024. Nitombo 400 miliara Ariary ny vola niditra...
  • Ao anatin'ny Vondrona "B" no misy an'i Madagasikara taorian'ny antsapaka natao tatsy Kenya amin'ny CHAN 2024, balina kitra, hatao amin'ny volana aogositra izao...
  • Nandaha-teny farany ho an'ny vahoaka amerikanina omaly ny filoha Joe Biden mialohan'ny handaozany tanteraka izay andraikitra izay...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...