• Tafakatra 16 ireo maty, vokatry ny fahapozinana ara-tsakafo tany Ambositra. Tsy fifanandrifian-javatra fa mety avy amina sakafo iray no nahatonga ny fahapozinana nitranga tato ho ato, hoy ny mpahay fiaraha-monina, Lanto Ratsida... • Nidina 200 Ariary isaky ny litatra ny vidin'ny solika fampiasa amin'ny fiara eto Madagasikara ho an'ity volana jolay ity. Sarotsarotra ny fahitana gasoil amin'ny toerana sasany eto Antananarivo. Nanazava izany ny eo anivon'ny OMH... • Lehilahy Kaomoriana iray, miampy vehivavy Malagasy iray no tratra saika hanondrana sifaka an-tsokosoko. Natao anaty valizy ireo varika ireo, nokasaina entina any Dubaï tamin'ny sidin'ny kaompania Emirates...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...