♦ Olana mbola mitoetra ny tsy fahampian'ny solika eto Antananarivo, ny fahatapahan-jiro mifandimby izay maharitra ora telo... ♦ Nahafaly ny vahoaka tao Ambodinonoka ny fanomezan'ny filan-kevi-panjakàna rariny ny Ben'ny tanàna Marthino Solonirina Zou. Nampiaka-peo kosa ny solotenan'ny Kandidà avy any Bekopaka satria nesorina ny Ben'ny tanàna any an-toerana... ♦ Dinihina mandritra ilay atrik'asa omen'ny FIPOL sy OLEP eny Ambatobe ny onitra vokatry ny loto an-dranomasina... ♦ Tsy nahafaly ireo Japôney ny fanambaran'i Donald Trump izay nanao fampitahana ary nampitovy ny daroka baomba nokleary tamin'ny taona 1945 ny daroka baomba farany teo tany Iran...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...