• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...