• Efa nigadona tao Farafangana omaly hariva ny Eveka vaovao ho an'ity Diôsezy ity. Misy ny akon'ny fitsenana azy tao Manakara sy Vohipeno omaly...
  • Mangataka ny hamelàna ny fidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoha lefitra faha-7 eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Ravao ny CENI hoy ny vovonana Firaisan-kina, omaly...
  • Mandrahona ny hanao hetsi-pitakiana ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy. Hetsika noho ny tsy fisian'ny fisondrontan-karama, nefa midangana ny vidim-piainana...
  • Nandamoaka ny fisamborana ny filoha koreana tatsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, omaly. Tomefy ireo mpiambina sy mpanara-dia azy an-jatony ny trano fonenany saika hisamborana azy tao Séoul...

Mizotra araka ny lamina namaritana azy amin'izao fotoana izao ilay fifaninana karakarain'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly ho an'ireo tantsaha mandraharaha amin'ny fihariana tantely voafantina ho amin'izany. Tanjona amin'ity fifaninanana ity moa ny hitiliana ireo tantsaha mendrika manana hetaheta ampiroborobo ny orinasany amin'izay fihariana tantely izay sy ahamatihaninna azy ireo amin'izay sehatr'asa izay...

Ny fandaharana E.V.A dia mampiombona, mandamina fiainana hitarika mankany amin'ny tontolo marina, mahitsy mba hitondra afon'ny fanantenana, na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy manahirana rehetra. Efa tamin'ny taona 1300 no nankalazana ny taon-jôbily nandraisana ny famindra-pon'Andriamanitra, ary amin'ny taona 2025 dia natao hoe taonan'ny finoana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

  • Miantso ny olona hibebaka ny kardinaly Desiré Tsarahazana Arsevekan'i Toamasina. Aoka hoy izy tsy hirehareha amin'ny fanaovan-dratsy isika...
  • Fitaovana ahafahana miady amin'ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ampisongadina ny fambolena ny famokaram-bary hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Hanao ezaka hanatsaràna ny vokatra ny fitondrana hoy izy...
  • Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamaitsoana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fambolen-kazo ny kristianina katôlika any amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa. Ny talata faran'ny taona teo no nosokafana ny taom-pambolen-kazo ho an'ity Diôsezy ity...

  • Manasa ny kristianina hanao pelerinazy any Roma ny Papa François amin'ity taona 2025 ity. ho an'ireo izay tsy afaka hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz Grysa dia misy ny lamina efa napetraky ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara hanaovana izay pelerinazy izay eto Madagasikara, hatao any amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo...
  • Tsy nitsahatra namaha ny olana sy nitondra vahaolana momba izany ny mpitondra niatrehana ireo sedra nolalovan'ny tsirairay sy ny firenena hoy ny filoham-pirenena. Taona hametrahana fanamby goavana ity taona 2025 ity...
  • Taona nahitana fahasahiranana sy fangirifiriana ary fijaliana iny taona 2024 iny hoy ny filohan'ny Antoko TIM, Ravalomanana Marc. Miaina amin'ny tahotra sy ny tsy fahamarinana ny Malagasy hoy izy...

  • Hivalona afaka ora vitsy ny taona 2024. Hitondrantsika jery todika fohy eto ny fiainam-pirenena amina sehatra samihafa tamin'ity taona ity...
  • Hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'izao fetin'ny faran'ny taona sy fandraisana ny taom-baovao izao. Manentana ny rehetra hahay hifety, mba tsy hitera-doza ho an'ny hafa ny eo anivon'ny Polisim-pirenena...
  • Voarara manomboka rahampitso ny fanjonoana sy fivarotana ora-tsimba amina faritra maro. Nisy ny fampahafantarana navoakan'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga mifandraika amin'izany...
  • Milaza ny hikaroka sy hanasazy ireo tompon'antoka tamin'ilay lozam-piarahamanidina nitranga tany Khazakstan ny fitondrana rosianina. Loza nahafatesan'olona 38...

  • Hanao lahateny amin'ny haino aman-jerim-panjakàna anio faran'ny taona ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Andrasana izay mety ho ambarany momba ny raharaham-pirenena...
  • Hifamotoana amin'ireo hery velona mitovy fijery aminy ny zoma izao ny RMDM, manoloana ny raharaham-pirenenaa. Hatsangana amin'izany ny Kômity hikarakara ny fikaonandohan'ny mpanohitra...
  • Misy andininy hitera-doza ho an'ny mpiasa malagasy anatin'ny fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa, hoy ny sendika SMARM sy ny Fisemare. Nifarana omaly ny atrik'asa niarahan'izy ireo nandinika io lalàna io...
  • Nifanakalo miaramila babo an'ady 150 isa avy i Ukraine sy Rosia omaly. Tanjona ny mba ho fanafahana ny miaramilan'izy ireo avy, amin'izao mialoha ny taona vaovao 2025 izao...

  • Hifamotoana amin'ireo hery velona mitovy fomba fijery aminy, ny RMDM amin'ny zoma izao...
  • Misy ny andininy manimba ary mety hitera-doza ho an'ny mpiasa Malagasy ao anatin'ilay fehezan-dalana vaovao mifehy ny asa, hoy ny Sendikà SMARM sy ny FISEMARE, androany...
  • Maromaro ireo aretina vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny rotsak'orana ary ny loto ankehitriny...

  • Nirehitra nanomboka ny alakamisy teo ny velaran-tany 20 Ha, ao amin'ny valan-javaboahary ao Ranomafana, Distrikan'i Fanadiana. Ny sabotsy teo vao tena voafehy ny afo...
  • Miisa 5 ireo olona nampidirina am-ponja vokatry ny fahamaizan'ny ala sy ny tanety tao amin'ny Faritr'i Fitovinany. Velaran-tany 765 Ha, no kilan'ny afo. Misy ny trano fonenana may ka olona 1000 no traboina...
  • Mametraka tolotra vaovao ho an'ny tantsaha mpikambana ao aminy ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra Nasiônaly. Tolotra hanampiana ny mpamokatra tohanan'ny vondrona eraopeanina mandritra ny roa taona...
  • Hatao andro fisaonana ny any etazonia ny 9 janoary 2025 izao noho ny fahafatesan'ny filoha amerikanina teo aloha Jimmy Carter...

  • Nosokafana omaly ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka Andohalo, nanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny taon-jôbily 2025 eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo. Nanokatra ny Varavarana ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
  • Tafiakatra any amin'ny dingana farany amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika tsy ahitàna ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany "CHAN" 2025 ny Barea CHAN. Tafita ny malagasy na resin'i Eswatini, na i Swaziland teo aloha, tamin'ny isa 1 noho 0, tatsy Maorisy aza...
  • Nahatratrarana fiarabe maromaro nitatitra hazo voamboana sy Nato tsy ara-dalàna indray tao Toamasina ny faran'ny herinandro teo. Olona miisa 8 no voasambotra nitondra ireo hazo ireo...

  • Mbola misy hatrany ny fikasana hanondrana antsokosoko ireo harem-pirenena malagasy. Nahitàna izany indray omaly ny tany Mahajanga. Tsy hisy ny fandeferana ho an'ireo izay tratra, hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovan-jafy...
  • Efa tena mandrefy ireo tompon'andraikim-panjakàna mihitsy ireo mpanao trafika hoy ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ; takian'izy ireo ny hampiharana sazy enjana ho an'ireo izay tratra...
  • Nanana ny toerana lehibe ary nisy fiatraikany mivantana ny fiaraha-miasan'ny fikambanana alemanina misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny GIZ sy Madagasikara...
  • Efa manomana tolo-dalàna hanoàna ny famotsoran-keloka ny filoha teo aloha Macky Sall ny governemanta Senegale, hoy ny praiministra Ousmane Sonko...

Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...